Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Maro no Mino ny Afobe

Maro no Mino ny Afobe

Maro no Mino ny Afobe

“Nanonofy aho hoe nodorana tany amin’ny afobe. Natsipy tao anaty afo nidedadeda, hono, aho. Taitra aho, ary nikiakiaka be. Niezaka mafy tsy hanota intsony aho, taorian’izay.”—Arline.

MINO ve ianao fa toerana fampijalijaliana ny mpanota ny afobe? Maro no mino izany. Nanadihady mpitondra fivavahana ekosey, ohatra, ny manam-pahaizana iray ao amin’ny Oniversiten’i Md. André, any Ekosy, tamin’ny 2005. Hitany tamin’izany fa ny ampahatelon’izy ireo no nino hoe “hizaka fahorian-tsaina mandrakizay any amin’ny afobe” ny olona tafasaraka amin’Andriamanitra. Ny ampahadiminy kosa nino fa hampijalina ara-batana ireo any amin’ny afobe.

Mino ny ankamaroan’ny olona any amin’ny tany maro fa misy ny afobe. Ny 70 isan-jaton’ireo nanontaniana tany Etazonia, tamin’ny 2007, ohatra, no mino izany. Mbola mino ny afobe ny olona, na dia any amin’ireo tany tsy liana amin’ny fivavahana aza. Tamin’ny 2004, dia ny 42 isan-jaton’ireo nanontaniana tany Kanada no nino ny afobe, ary 32 isan-jato ny tany Grande-Bretagne.

Inona no ampianarin’ny mpitondra fivavahana?

Maro ny mpitondra fivavahana tsy mampianatra intsony hoe toerana fampijaliana mirehitra afo ny afobe. Inoan’izy ireo kosa ny voalazan’ny boky Katesizin’ny Eglizy Katolika (anglisy), nivoaka tamin’ny 1994, manao hoe: “Ny fisarahana mandrakizay amin’Andriamanitra no tena sazin’ny olona any amin’ny afobe.”

Mbola maro anefa no mino fa toerana fampijaliana ara-tsaina na ara-batana ny afobe. Milaza ny olona mampiely an’io fampianarana io fa avy ao amin’ny Baiboly izany. Hoy i Albert Mohler, prezidàn’ny Sekoly Fiofanana ho Pasitera Batista: “Izany mihitsy no ampianarin’ny Soratra Masina.”

Tena zava-dehibe izay inoanao

Tokony hatahorana ny afobe, raha toerana fampijaliana tokoa. Raha tsy toerana fampijaliana anefa izy io, dia manakorontana sain’olona fotsiny ny mpitondra fivavahana, sady mahatonga azy ireo hatahotra zavatra tsy misy akory. Manala baraka an’Andriamanitra koa izy ireo.

Inona no lazain’ny Baiboly momba ny afobe? Hampiasa ny Baiboly katolika sy protestanta ny lahatsoratra manaraka, mba hamaliana an’ireto fanontaniana ireto: 1) Manao ahoana marina ny olona rehefa maty? 2) Inona no nampianarin’i Jesosy momba ny afobe? 3) Rehefa mahalala ny marina momba ny afobe ianao, inona no tokony ho vokatr’izany eo aminao?