Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Andriamanitra Mahery Indrindra ve i Jesosy?

Andriamanitra Mahery Indrindra ve i Jesosy?

Andriamanitra Mahery Indrindra ve i Jesosy?

Valiny fandre matetika:

▪ “Ie, i Jesosy ilay Andriamanitra Mahery Indrindra.”

▪ “Andriamanitra tonga nofo i Jesosy.”

Inona no nolazain’i Jesosy?

▪ “Raha tia ahy ianareo, dia ho ravoravo satria handeha ho any amin’ny Ray aho, fa ny Ray dia lehibe noho izaho.” (Jaona 14:28) Nilaza i Jesosy eo fa tsy mitovy izy sy ny Rainy.

▪ “Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo aho, ary ho any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo.” (Jaona 20:17) Hafa mihitsy no nolazain’i Jesosy hoe Andriamanitra, fa tsy ny tenany.

▪ “Tsy araka ny nahim-poko no nitenenako, fa ny Ray izay naniraka ahy no nandidy ahy ny amin’izay holazaiko sy hoteneniko.” (Jaona 12:49) Tsy avy amin’i Jesosy ny zavatra nampianariny, fa avy tamin’ny Ray.

NILAZA i Jesosy hoe Zanak’Andriamanitra izy, fa tsy Andriamanitra Mahery Indrindra. Raha Andriamanitra izy, nivavaka tamin’iza àry izy tetỳ an-tany? (Matio 14:23; 26:26-29) Azo antoka fa tsy mody niresaka tamin’olona izy!

Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany roa lahy, izay nangataka mba hipetraka eo anilany ao amin’ny Fanjakany: “Ny hipetraka eo ankavanako sy eo ankaviako, dia tsy anjarako ny manome izany. Fa ho an’izay efa nanomanan’ny Raiko azy ihany izany toerana izany.” (Matio 20:23) Nandainga ve i Jesosy raha nilaza fa tsy afaka manome izay notadiavin’izy ireo? Tsy izany mihitsy! Nanaiky tamim-panetren-tena kosa izy fa Andriamanitra ihany no manan-jo hanapa-kevitra ny amin’izany. Nilaza mihitsy aza i Jesosy fa nisy zavatra tsy fantany sady tsy fantatry ny anjely, fa ny Rainy ihany no mahalala.—Marka 13:32.

Teto an-tany ihany ve i Jesosy no ambany kokoa noho Andriamanitra? Lazain’ny Baiboly fa mbola ambany noho Andriamanitra izy taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty. Nampahatsiahivin’ny apostoly Paoly, ohatra, fa “Andriamanitra no mpifehy an’i Kristy.” (1 Korintianina 11:3, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara) Milaza koa ny Baiboly fa amin’ny hoavy, “rehefa nampaneken’Andriamanitra an’i Kristy ny zavatra rehetra, na Izy Zanaka ihany koa aza dia hanaiky an’Andriamanitra Izay nampanaiky Azy ny zavatra rehetra; hany ka ho zavatra rehetra amin’ny olona rehetra Andriamanitra.”—1 Korintianina 15:28, DIEM.

Mazava àry fa tsy Andriamanitra Mahery Indrindra i Jesosy. Izany no antony niantsoany an-dRainy hoe “Andriamanitro.”—Apokalypsy 3:2, 12; 2 Korintianina 1:3, 4. *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 12 Mba hahafantarana misimisy kokoa momba izany, dia jereo ilay boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, pejy 201-204, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Teny notsongaina, pejy 7]

Nilaza i Jesosy fa nisy zavatra tsy fantany sady tsy fantatry ny anjely, fa ny Rainy ihany no mahalala