Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manao Ahoana Izany Andriamanitra Izany?

Manao Ahoana Izany Andriamanitra Izany?

Manao Ahoana Izany Andriamanitra Izany?

Valiny fandre matetika:

“Eny rehetra eny izy, ary ao amin’ny zavatra rehetra. Toy ny rivotra izy.”

▪ “Hery tsy fantapantatra izy, nefa tena manan-tsaina.”

Inona no nolazain’i Jesosy?

▪ “Ao an-tranon’ny Raiko misy fonenana maro.” (Jaona 14:2) Toy ny hoe manana trano hipetrahana Andriamanitra, araka ny filazan’i Jesosy azy.

▪ “Avy tamin’ny Ray aho, ary tonga teto amin’izao tontolo izao. Ary hiala amin’izao tontolo izao aho, ka ho any amin’ny Ray.” (Jaona 16:28) Nino i Jesosy fa mipetraka ao amin’ny toerana iray voafaritra tsara Andriamanitra.

TAMIN’I Jesosy, dia tsy hery tsy fantapantatra Andriamanitra. Niresaka sy nivavaka taminy kosa aza izy. Matetika koa izy no niantso an’i Jehovah hoe Rainy, ka hita fa nifandray akaiky taminy.—Jaona 8:19, 38, 54.

Marina fa “tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana” ary “Andriamanitra dia Fanahy.” (Jaona 1:18; 4:24) Tsy midika anefa izany hoe tsy manana vatana izy. Hoy ny Baiboly: “Raha misy vatana ara-nofo, dia misy koa ara-panahy.” (1 Korintianina 15:44) Manana vatana ara-panahy àry ve i Jehovah?

Izany tokoa. Rehefa natsangana tamin’ny maty mantsy i Jesosy, dia ‘niditra [tany amin’ny] lanitra, mba hiseho eo anatrehan’Andriamanitra ho antsika.’ (Hebreo 9:24) Misy zava-dehibe roa hitantsika eo. Voalohany, manana fonenana Andriamanitra. Faharoa, tsy hery tsy fantapantatra eny rehetra eny izy fa manana vatana, matoa i Jesosy afaka niseho teo anatrehany.

Tsy eny rehetra eny Andriamanitra, fa ny fanahiny masina, izany hoe ny hery ampiasainy, no alefany any amin’izay rehetra tiany handefasana azy, mba hanatanterahana ny fikasany. Toy ny feo avy amin’ny foiben’ny radio iray izany. Re eran’ny faritra maro ilay feo, nefa toerana iray ihany no misy ilay foibe. (Salamo 104:30; 139:7) Mampiasa ny fanahy masina àry i Jehovah hanampiana ny mpanompony, toy ny ray mitari-dalana ny zanany.

Manana toetra sy fihetseham-po koa Andriamanitra, ary misy zavatra tiany sy tsy tiany. Milaza ny Baiboly fa mifaly amin’ny asany izy, tia an’ireo mpanompony, mankahala ny fanompoan-tsampy, ary malahelo rehefa misy manao ratsy. (Genesisy 6:6; Deoteronomia 16:22; 1 Mpanjaka 10:9; Salamo 104:31) “Andriamanitra falifaly” izy, hoy ny 1 Timoty 1:11. Tsy mahagaga àry raha nilaza i Jesosy fa afaka ny ho tia an’Andriamanitra amin’ny fo manontolo isika!—Marka 12:30. *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 12 Mba hahafantarana misimisy kokoa momba izany, dia jereo ny toko 1 amin’ilay boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Teny notsongaina, pejy 5]

Mampiasa ny fanahy masina hanampiana ny mpanompony Andriamanitra, toy ny ray mitari-dalana ny zanany