Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Dikan’ny Anarana Sasany

Ny Dikan’ny Anarana Sasany

Ny Dikan’ny Anarana Sasany

Faly erỳ ny vehivavy etiopianina iray fa tera-dahy. Nalahelo be anefa izy avy eo satria tsy nihetsika ilay zaza. Noraisin’ny bebeny ihany ilay izy mba hampandroina. Tampoka teo dia nihetsika ilay zaza, niaina tsara ary nitomany! Teny etiopianina midika hoe “Fahagagana” no anaran’ny rainy. Izay ihany àry no natao anarany, fa nampiana kely fotsiny ka lasa hoe “Nisy Fahagagana.”

Niafina tany an-tsaha ny tovolahy iray tany Burundi, satria nisy miaramila saika hamono azy. Nivoady tamin’Andriamanitra àry izy hoe: ‘Raha arovanao aho, dia hataoko hoe Manirakiza ny anaran’ny zanako voalohany.’ Midika hoe “Andriamanitra no Mpamonjy” izy io. Tsy maty tokoa ilay tovolahy. Niteraka izy dimy taona taorian’izay, ka nataony hoe Manirakiza tokoa ny anaran-janany.

FANAO hatry ny ela ny manome anarana misy heviny ho an’ny zaza. An-jatony ny anaran’olona toy izany ao amin’ny Baiboly. Aleo hojerentsika ny sasany, mba ho azontsika kokoa ny tantaran’ilay olona.

Ao amin’ny Soratra Hebreo

Anisan’ny anarana voalohany ao ny hoe Seta, ary “Solo” no dikany. Hoy i Eva momba ny antony nifidianany an’io anarana io: “Andriamanitra efa nanome ahy zanaka hafa ho solon’i Abela, satria novonoin’i Kaina izy.” (Genesisy 4:25) I Noa kosa no anaran’ny zanak’i Lameka taranak’i Seta. “Fitsaharana” na “Fampiononana” no dikany. Nahoana i Lameka no nifidy an’io anarana io? Hoy izy: “Izy no hitondra fampiononana ho antsika. Ilaintsika mantsy izany satria miasa mafy sy misasatra isika noho ny nanozonan’i Jehovah ny tany.”—Genesisy 5:29.

Nanova ny anaran’ny olona sasany Andriamanitra, mba hilazana zavatra mbola hiseho. Novany hoe Abrahama, ohatra, ny hoe Abrama. “Rain’ny Fisandratana” no dikan’ny hoe Abrama, fa “Rain’ny Maro” ny hoe Abrahama. Lasa rain’ny firenena maro tokoa i Abrahama. (Genesisy 17:5, 6) Novany hoe Saraha koa ny hoe Saray, anaran’ny vadin’i Abrahama. “Tia Ady” angamba no dikan’ny hoe Saray. “Andriambavy” kosa ny hoe Saraha. Azo inoana fa faly be i Saraha rehefa novana ny anarany. Lasa razamben’ny mpanjaka maro tokoa izy.—Genesisy 17:15, 16.

Nifidy ny anaran’ny zaza sasany koa Andriamanitra. Nasainy nataon’i Abrahama sy Saraha hoe Isaka, ohatra, ny anaran’ny zanak’izy ireo. “Fihomehezana” no dikany, ary natao hahatsiarovan’izy mivady fa nihomehy izy ireo rehefa nilazana hoe hitera-dahy, na dia efa antitra be aza. Lasa mpanompon’Andriamanitra i Isaka rehefa lehibe. Azo inoana fa mbola faly ny ray aman-dreniny, isaky ny nahatsiaro ny dikan’ny anarany.—Genesisy 17:17, 19; 18:12, 15; 21:6.

Nisy indray olona nijaly ka nataony nifanaraka tamin’izany ny anaran-janany. Maty teo am-piterahana, ohatra, i Rahely vadin’i Jakoba. Rehefa niala aina izy, dia nataony hoe Ben-ony ny anaran’ilay zaza, izay midika hoe “Zanaky ny Fahoriako.” Tian’i Jakoba io zaza io ary nantenainy hanampy azy. Novany kely hoe Benjamina àry ny anarany, izay midika hoe “Zanaky ny Tanana Ankavanana.”—Genesisy 35:16-19; 44:20.

Arakaraka ny toe-batany koa ny anarana nomena ny olona sasany. Esao, ohatra, no nataon’i Isaka sy Rebeka anaran’ny zanany iray, satria mena sy natevina toy ny volonondry ny volony. “Voloina” no dikan’ny hoe Esao. (Genesisy 25:25) Niteraka an’i Malona sy Kiliona i Naomy, araka ny bokin’i Rota. “Farofy” no dikan’ny hoe Malona, ary “Malemilemy” ny hoe Kiliona. Tsy fantatra na efa anaran’izy ireo izany, na anarana napetaka tatỳ aoriana. Toa nety tsara anefa ireo, satria maty tanora izy roa lahy.—Rota 1:5.

Fanaon’ny olona koa ny nanova anarana. Rehefa nody tany Betlehema i Naomy, dia tsy tiany intsony ny anarany, izay midika hoe “Mahafinaritra Ahy.” Lasa nahantra mantsy izy satria tsy nanana vady na zanaka intsony mba hanampy azy. Hoy izy: “Aza miantso ahy hoe Naomy, fa antsoy hoe Mara [“Mangidy”] aho satria tena nampangidy ny fiainako ilay Mahery Indrindra.”—Rota 1:20, 21.

Nisy koa zaza teraka tamin’ny fotoan-dehibe ka nampifanarahana tamin’izay ny anarany. “Teraka Tamin’ny Fety”, ohatra, no dikan’ny hoe Hagay, izay anarana mpaminany. *

Ao amin’ny Soratra Grika

Misy dikany miavaka ny hoe Jesosy. “I Jehovah dia Famonjena” no dikany. Hoy ny anjelin’i Jehovah tamin’i Josefa, talohan’ny nahaterahan’i Jesosy: “Ataovy hoe Jesosy ny anarany, fa izy no hamonjy ny fireneny ho afaka amin’ny fahotan’izy ireo.” (Matio 1:21) Nomena anaram-boninahitra hoe “Mesia” na “Kristy” i Jesosy, rehefa voahosotry ny fanahy masina tamin’ny batisany. Avy amin’ny teny hebreo sy grika ireo, ary “Voahosotra” no dikany.—Matio 2:4.

Nomen’i Jesosy anarana koa ny mpianany sasany, arakaraka ny toetran’izy ireo. Izy no nanome an’i Simona an’ilay anarana hoe Kefasy na Petera. Avy amin’ny teny hebreo sy grika ireo, ary midika hoe “Vato.” Ilay hoe “Petera” no tena niantsoana an’i Simona. (Jaona 1:42) Nataon’i Jesosy hoe “Boanerjesy” kosa i Jakoba sy Jaona, satria nafana fo. “Zanaky ny Varatra” no dikan’ny hoe “Boanerjesy.”—Marka 3:16, 17.

Nanao toa an’i Jesosy koa ny apostoliny tatỳ aoriana. Nataon’izy ireo hoe Barnabasy, ohatra, i Josefa mpianatra. “Zanaky ny Fampiononana” no dikany. Tena nety taminy ilay anarana satria nalala-tanana sy nahay nampionona izy.—Asan’ny Apostoly 4:34-37; 9:27; 15:25, 26.

Miezaha ho tsara laza

Efa nomen’ny ray aman-drenintsika anarana isika tamin’ny vao teraka. Mety mbola hahazo anarana hafa anefa isika, arakaraka ny toetrantsika. (Ohabolana 20:11) Mieritrereta àry hoe: ‘Raha teo i Jesosy na ny apostoliny, iza no anarana ho nomeny ahy? Iza no anarana mety homen’ny olona ahy raha fantany ny toetrako na ny lazako?’

Zava-dehibe io fanontaniana farany io. Nahoana? Satria hoy i Solomona mpanjaka hendry: “Aleo laza tsara toy izay harem-be.” (Ohabolana 22:1) Hajain’ny olona isika raha tsara laza. Mbola lehibe lavitra noho izany aza ny soa ho azontsika, raha tsara laza eo imason’Andriamanitra isika. Manana “boky fahatsiarovana” mantsy izy, ka mampanantena fa hosoratany ao ny anaran’izay matahotra azy, ary ho afaka hiaina mandrakizay izy ireo.—Malakia 3:16; Apokalypsy 3:5; 20:12-15.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 12 Teraka tamin’ny fivoriambe ny zanaky ny Vavolombelon’i Jehovah sasany atsy Afrika, ka nalaina avy amin’ny lohatenin’ilay izy ny anarany.

[Teny notsongaina, pejy 15]

Iza no anarana mety homen’ny olona ahy raha fantany ny lazako?

[Efajoro/Sary, pejy 14]

Iza i Imanoela?

Misy heviny manokana ny anaran’olona sasany ao amin’ny Baiboly. Nasain’Andriamanitra naminany, ohatra, i Isaia hoe: “Ho bevohoka ny tovovavy ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Imanoela.” (Isaia 7:14) Midika hoe “Momba Antsika Andriamanitra” ny hoe Imanoela. Nisy manam-pahaizana momba ny Baiboly niteny fa mety ho mpanjaka israelita, na zanak’i Isaia izy io. Nilaza anefa i Matio fa tamin’i Jesosy no tena tanteraka ilay faminaniana.—Matio 1:22, 23.

Misy koa milaza fa Andriamanitra i Jesosy, satria midika hoe “Momba Antsika Andriamanitra” ilay anarany hoe Imanoela. Raha marina anefa izany, dia Andriamanitra koa i Eliho, ilay tovolahy nampionona sy nananatra an’i Joba. Nahoana? Satria “Izy no Andriamanitro” no dikan’ny anarany.

Mbola tsy niteny mihitsy i Jesosy hoe Andriamanitra izy. (Jaona 14:28; Filipianina 2:5, 6) Tena nanahaka ny toetran’ny Rainy kosa izy. Maro koa ny zavatra nampanantenain’Andriamanitra fa hataon’ny Mesia, ary notanterahin’i Jesosy avokoa izy ireny. (Jaona 14:9; 2 Korintianina 1:20) Hita avy amin’ny asa nasain’Andriamanitra hataon’i Jesosy, fa momba an’ireo mpivavaka aminy tokoa izy. Notendreny ho Mesia sy Mpanjaka mantsy izy, mba hamonjy azy ireo. I Jesosy mihitsy àry no Imanoela.

[Sary]

IMANOELA “Momba Antsika Andriamanitra”

[Efajoro/Sary, pejy 15]

Ilay Anarana Miavaka Indrindra

Hita im-7 000 eo ho eo ao amin’ny Baiboly ny anaran’Andriamanitra. Soratana hoe יהוה ilay izy amin’ny teny hebreo, ary “Jehovah” no tena ahafantarana azy amin’ny teny malagasy. Inona no dikan’io anarana io? Nanontany an’izany i Mosesy ary hoy i Jehovah taminy: “Izaho ilay mahavita izay iriko.” (Eksodosy 3:14) Nolazainy ny dikan’ny anarany, mba hanomezana toky antsika fa mahavita izay rehetra iriny izy mba hanatanterahana ny fikasany. (Isaia 55:8-11) Afaka matoky àry isika fa hotanterahiny izay zavatra ampanantenainy. Nahoana? Satria mahavita izay iriny izy, araka ny anarany.

[Sary, pejy 13]

ABRAHAMA “Rain’ny Maro”

[Sary, pejy 13]

SARAHA “Andriambavy”