Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Porofo Lehibe Indrindra fa Tia Antsika Andriamanitra

Porofo Lehibe Indrindra fa Tia Antsika Andriamanitra

Manatòna An’Andriamanitra

Porofo Lehibe Indrindra fa Tia Antsika Andriamanitra

Genesisy 22:1-18

TIA an’Andriamanitra i Abrahama, ary tiany koa i Isaka zanany. Niharam-pitsapana i Abrahama rehefa 25 taona teo ho eo i Isaka. Zavatra tsy hoeritreretin’ny raim-pianakaviana hatao mihitsy no nasain’Andriamanitra hataony, dia ny hanolotra ny zanany ho sorona. Nisalovana anefa ny anjely iray, raha iny ndeha hamono an’i Isaka iny mihitsy i Abrahama. Nampiseho mialoha ny fitiavana lehibe nasehon’Andriamanitra antsika io tantara ao amin’ny Genesisy 22:1-18 io.

Hoy ny andininy voalohany: “Nizaha toetra an’i Abrahama Andriamanitra.” Nanam-pinoana i Abrahama, nefa mbola tsy notsapaina toy izao mihitsy ny finoany. Hoy Andriamanitra: “Ento, azafady, i Isaka zanakao, ilay lahitokanao izay tena tianao ... Ary atolory ho fanatitra dorana izy, ... eo amin’ny tendrombohitra iray holazaiko anao.” (Andininy 2) Tadidio fa tsy mamela ny mpanompony hiharam-pitsapana mihoatra noho izay zakan’izy ireo Andriamanitra. Hita avy tamin’io fitsapana io àry fa natoky an’i Abrahama izy.—1 Korintianina 10:13.

Nankatò avy hatrany i Abrahama. Hoy ny Baiboly: “Nifoha maraina i Abrahama ka nanisy lasely ny ampondrany, ary nentiny niaraka taminy ny mpanompony roa lahy sy Isaka zanany. Ary namaky kitay ho an’ny fanatitra dorana izy, ary avy eo dia niainga.”—Andininy 3.

Naharitra telo andro ilay dia, ary nanam-potoana hieritreretana tsara i Abrahama. Tsy niova hevitra anefa izy. Hita fa nanam-pinoana izy. Hoy izy tamin’ny mpanompony, rehefa tazany lavitra ilay tendrombohitra: “Mijanòna eto ianareo ... fa izaho sy ny zaza handeha ho erỳ, mba hiankohoka eo anatrehan’Andriamanitra. Ary hiverina eto aminareo ihany izahay avy eo.” Rehefa nanontany azy i Isaka hoe aiza izay ondry hatao fanatitra, dia namaly izy hoe: “Andriamanitra ihany, anaka, no hanome ny ondry.” (Andininy 5, 8) Nino i Abrahama fa ho tafaverina miaraka amin-janany. “Nihevitra mantsy izy fa hain’Andriamanitra na dia ny manangana an’i Isaka amin’ny maty aza.”—Hebreo 11:19.

Tonga tany amin’ilay tendrombohitra i Abrahama. Rehefa nandray ‘antsy mba hamonoana ny zanany’ izy, dia nosakanan’ny anjely. Nasian’Andriamanitra ondrilahy nisaringotra teo amin’ny kirihitrala, mba hataon’i Abrahama fanatitra “ho solon-janany.” (Andininy 10-13) Toy ny hoe efa natao fanatitra i Isaka teo imason’Andriamanitra. (Hebreo 11:17) Hoy ny manam-pahaizana iray: “Amin’Andriamanitra, ny fahavononana hanao zavatra iray dia toy ny hoe efa fanaovana azy io.”

Tsy diso tokoa i Jehovah raha natoky an’i Abrahama, ary novaliany soa i Abrahama satria natoky azy. Naverin’Andriamanitra mantsy ilay fifanekena nataony taminy, sady nampiany hoe ny taranany no hitahiana ny olona avy amin’ny firenena rehetra.—Andininy 15-18.

Tsy navelan’Andriamanitra hanao sorona ny zanany i Abrahama, fa Izy kosa namela ny Zanany hatao sorona. Ny fahavononan’i Abrahama hanao sorona an’i Isaka, dia nampiseho mialoha ny nanoloran’Andriamanitra an’i Jesosy Zanany lahitokana ho sorona, mba hanaisotra ny fahotantsika. (Jaona 3:16) Ny soron’i Kristy no porofo lehibe indrindra fa tia antsika i Jehovah. Raha namoy zavatra sarobidy toy izany Andriamanitra, dia tokony hieritreritra isika hoe: ‘Inona koa no zavatra azoko afoy mba hampifaliana azy?’