Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Andriamanitra no Atahory fa Tsy ny Olona

Andriamanitra no Atahory fa Tsy ny Olona

Andriamanitra no Atahory fa Tsy ny Olona

GAGA sady faly ny tovolahy iray. Tsy nampoiziny mihitsy izay nitranga. Nianatra zava-baovao izy rehefa niresaka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanahiran-tsaina azy foana mantsy ny antony amelan’Andriamanitra ny fijaliana hisy. Voavaly tamin’ny alalan’ny Baiboly anefa izany. Tsy nampoiziny hoe misy fanazavana sarobidy sy mahasambatra toy izany ao amin’ny Baiboly.

Vao lasa kelikely ireo Vavolombelona, dia niditra tampoka tao aminy ny tompo-tranony, ary nivatravatra hoe: “Iza ireny olona ireny?”

Taitra ilay tovolahy ka tsy nahateny.

Nivazavaza ilay tompon-trano hoe: “Fantatro ange ireny e! Raha mbola mandray an’ireny ianao, dia horoahiko!”

Lasa izy sady nakaratony ny varavarana.

Manampo fanoherana ny tena mpanara-dia an’i Kristy

Mateti-pitranga ny zavatra nanjo an’io tovolahy io. Hoy ny Tenin’Andriamanitra: “Izay rehetra te hiaina ao anatin’ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra sady tafaray amin’i Kristy Jesosy dia henjehina.” (2 Timoty 3:12) Efa hatramin’izay no tsy tian’olona ny tena Kristianina. Nahoana? Hoy ny apostoly Jaona: “Fantatsika fa avy amin’Andriamanitra isika, fa izao tontolo izao manontolo kosa eo ambany fahefan’ilay ratsy.” (1 Jaona 5:19) Lazaina koa fa toy “ny liona mierona, mitady olona harapaka” i Satana Devoly. (1 Petera 5:8) Anisan’ny fiadiany mandaitra indrindra ny tahotra olona.

Nanao soa maro i Jesosy Kristy, sady tsy nanota mihitsy, nefa nesoina sy nenjehina. Hoy izy: “Mankahala ahy tsy amin’antony izy ireo.” (Jaona 15:25) Nampiomana ny mpianany toy izao izy, ny alina talohan’ny hahafatesany: “Raha halan’izao tontolo izao ianareo, dia fantatrareo fa izaho efa halany talohanareo. Tadidio ny teny nolazaiko taminareo hoe: Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika ahy izy dia hanenjika anareo koa.”—Jaona 15:18, 20.

Maro àry no nisalasala hanaraka ny fivavahana marina. Hoy ny Baiboly momba ny olona sasany nitady an’i Jesosy: “Tsy nisy sahy niresaka momba azy ampahibemaso anefa, noho ny fahatahorana ny Jiosy.” (Jaona 7:13; 12:42) Efa nandrahona mantsy ireo mpitondra fivavahana jiosy fa horoahiny hiala amin’ny synagoga izay mino an’i Kristy. Maro àry no natahotra olona ka tsy lasa Kristianina.—Asan’ny Apostoly 5:13.

Rehefa niforona ny fiangonana kristianina, dia voalaza fa “nenjehina mafy” ny fiangonana tany Jerosalema. (Asan’ny Apostoly 8:1) Nenjehina koa ireo Kristianina nanerana ny Fanjakana Romanina. Hoy ireo olona ambony tany Roma: “Ny amin’io sekta io, dia tena fantatray fa toherin’ny olona hatraiza hatraiza izy io.” (Asan’ny Apostoly 28:22) Nenjehina foana àry ny tena Kristianina.

Mbola mampiasa ny tahotra olona i Satana ankehitriny, mba tsy hanarahan’ny olona ny dian’i Kristy. Enjehina na esoin’ny mpiara-mianatra, mpiara-miasa, mpiray tanana, na namana, ohatra, ireo olona tso-po mianatra Baiboly miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mety hatahotra izy sao tsy hohajain’ny olona, tsy ho tian’ny namany, na tsy hisy hanampy intsony. Misy tantsaha mihevitra fa tsy hanampy azy amin’ny fijinjana na tsy hiaro ny biby fiompiny ny mpiray tanana aminy, raha mianatra izy. An-tapitrisany anefa no tapa-kevitra fa hitoky amin’Andriamanitra sy hiaina mifanaraka amin’ny Teniny, toy ny nataon’i Jesosy Kristy. Nitahy azy ireo àry i Jehovah.

Antony atahorana an’Andriamanitra

Ampirisihin’ny Baiboly hatahotra an’Andriamanitra isika, fa tsy hatahotra olona. Hoy izy io: “Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena.” (Salamo 111:10) Tsy tahotra mampihorohoro izany, fa tahotra sao tsy hampifaly an’ilay Mpanome aina. Mifandray amin’ny fitiavana io tahotra io. Nahoana anefa no Andriamanitra no tokony hatahorantsika, fa tsy olona? Ireto misy antony dimy.

I Jehovah no Mahery Indrindra. Mahery lavitra noho ny olombelona izy. “Toy ny rano indray mitete avy amin’ny siny ireo firenena”, eo anatrehany. (Isaia 40:15) Miandany amin’ilay Mahery Indrindra àry isika, raha matahotra azy. Manan-kery handresena an’izay ‘fiadiana hamelezana’ an’ireo tsy mivadika aminy Andriamanitra. (Isaia 54:17) Izy koa no hilaza hoe iza no hiaina mandrakizay. Hendry àry isika raha tsy mitsahatra mianatra momba azy sy manao ny sitrapony.—Apokalypsy 14:6, 7.

2 Hanampy sy hiaro antsika Andriamanitra. Hoy ny Ohabolana 29:25: “Fandrika ny tahotra olona, fa izay matoky an’i Jehovah no ho voaro.” Fandrika tokoa ny tahotra olona, satria mety hanakana antsika tsy hanambara ny finoantsika. Manome toky antsika Andriamanitra hoe: “Aza matahotra fa momba anao aho. Aza miherikerika noho ny tahotra, fa izaho no Andriamanitrao. Hanatanjaka anao aho ka hanampy anao. Hihazona anao mafy amin’ny tanako ankavanana aho, dia ny tanako feno fahamarinana.”—Isaia 41:10.

3 Tia an’izay manatona azy Andriamanitra. Manohina ny fo ireto tenin’i Paoly ireto: “Matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na fitondram-panjakana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na zavaboary hafa, dia tsy hisy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra, izay aseho amin’ny alalan’i Kristy Jesosy Tompontsika.” (Romanina 8:37-39) Handray soa amin’io fitiavana io isika, raha mitoky amin’ilay Mpanjakan’izao Rehetra Izao sy mankatò azy. Izany ka voninahitra!

4 Ankasitrahantsika izay rehetra nataon’Andriamanitra ho antsika. I Jehovah no Mpamorona sy nampisy ny fiainana. Tsy izay ilaintsika fotsiny no nomeny, fa izay mahatonga ny fiainantsika hahafinaritra sy hahaliana koa. Avy aminy àry ny fanomezana tsara rehetra. (Jakoba 1:17) Nankasitraka ny hatsaram-panahy sy ny fitiavan’Andriamanitra i Davida. Hoy io lehilahy tsy nivadika io: “Maro ny zavatra nataonao, Jehovah Andriamanitro ô, eny, maro ny asanao mahatalanjona sy ny fikasanao momba anay. ... Maro loatra ireny ka tsy ho voatanisako.”—Salamo 40:5.

5 Mety hiova ireo manohitra antsika. Manampy an’ireo mpanohitra hiova ianao rehefa tsy mivadika, ka matahotra an’Andriamanitra sy tia Azy foana. Tsy nino an’i Jesosy, ohatra, ny havany tamin’ny voalohany, fa nilaza hoe: “Voa ny sainy.” (Marka 3:21; Jaona 7:5) Maro tamin’izy ireo anefa no nino azy, taorian’ny nahafatesany sy nitsanganany tamin’ny maty. Anisan’ny mpanoratra ny Baiboly mihitsy aza i Jakoba sy Joda rahalahin’i Jesosy. Mpanohitra nafana fo koa i Saoly, izay lasa apostoly Paoly. Mety ho hitan’ireo mpanenjika ihany, amin’ny farany, fa tena mpanara-dia an’i Kristy isika, rehefa tsy mivadika mihitsy.—1 Timoty 1:13.

Nivavaka mba hahita ny fahamarinana, ohatra, i Aberash, vehivavy iray atsy Afrika. Nanohitra mafy azy ny havany sy ny mpitondra fivavahana, raha vao nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy. Nisy nianatra koa ny havany, saingy nijanona satria natahotra olona. Nitalaho tamin’Andriamanitra anefa i Aberash, mba hananany herim-po. Natao batisa izy, ka lasa Vavolombelon’i Jehovah. Inona no vokany? Nahita izay nataon’i Aberash ny valo tamin’ny havany, ka niverina nianatra Baiboly, ary mandroso tsara izao.

Afaka mandresy ny tahotra olona ianao

Miezaha ho tia kokoa an’Andriamanitra, mba tsy ho resin’ny tahotra olona ianao. Hahavita izany ianao rehefa mianatra Baiboly sy misaintsaina andinin-teny toy ny Hebreo 13:6, manao hoe: “Jehovah no mpanampy ahy, ka tsy hatahotra aho. Inona moa no azon’ny olona atao amiko?” Hendry isika raha matahotra an’Andriamanitra, fa tsy matahotra olona. Tadidio àry ireo antony tokony hanaovantsika izany.

Tadidio koa fa hahazo fitahiana maro ianao, raha mampihatra izay ianaranao. Hahazo ny valin’ireo fanontaniana lehibe momba ny fiainana ianao. Hahazo fahendrena ianao, mba hiatrehana ireo olana mahazo anao. Hanana fanantenana ianao, na dia sarotra aza ny fiainana. Afaka mivavaka amin’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra koa ianao amin’ny fotoana rehetra.

Hoy ny apostoly Jaona: “Mandalo izao tontolo izao sy ny faniriany, fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” (1 Jaona 2:17) Tsy fotoana tokony hivadihana izao, fa fotoana tokony hatahorana an’Andriamanitra. Aza avela hihena noho ny tahotra olona ny finoanao. Araho kosa ity torohevitr’Andriamanitra ity: “Hendre, anaka, ary ampifalio ny foko, mba hamaliako an’ilay manaratsy ahy.” (Ohabolana 27:11) Voninahitra tokoa ny mankatò an’izany!

“Ny vokatry ny fanetren-tena sy ny fahatahorana an’i Jehovah dia harena sy voninahitra ary fiainana.” (Ohabolana 22:4) Tadidio fa Andriamanitra ihany no afaka manome anao an’ireo.

[Sary, pejy 14]

Noho ny herim-pon’i Aberash, dia niverina nianatra Baiboly ny valo tamin’ny havany