Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Andriamanitra Iray Ihany ve no Ivavahan’ny Olona Rehetra?

Andriamanitra Iray Ihany ve no Ivavahan’ny Olona Rehetra?

Andriamanitra Iray Ihany ve no Ivavahan’ny Olona Rehetra?

“Manana ny finoako aho, ary tsy hiala amin’izany. Tsy mampaninona koa ange izay fivavahana misy anao e! Andriamanitra iray ihany tsinona no ivavahana.”

EFA nandre olona niteny toy izany ve ianao? Maro no mihevitra fa manampy ny olona hanatona an’Andriamanitra ny fivavahana rehetra sady manoro ny zava-kendren’ny fiainana. Maro koa no mino fa samy ahitana lafy tsarany sy lafy ratsiny daholo ny fivavahana, ary tsy misy fivavahana afaka milaza hoe izy ihany no manana ny marina, na hoe izy ihany no mahita ny fomba hanatonana an’Andriamanitra.

Be mpitia izany fomba fihevitra izany ankehitriny. Milaza ho malala-tsaina mantsy ny olona, ka mihevitra fa mety avokoa izay fivavahana arahina. Tery saina sy mpanavakavaka, hono, izay mandà izany. Ahoana no hevitrao? Mino ve ianao fa Andriamanitra iray ihany no ivavahan’ny olona rehetra? Tsy mampaninona ve izay fivavahana arahinao?

Mitovy ve ny fivavahana rehetra?

Milaza ny rakipahalalana iray fa misy fivavahana 9 900 eran-tany. Hita any amin’ny firenena maro ny sasany aminy, sady ahitana mpivavaka an-tapitrisany. Voalaza koa fa ny 70 isan-jaton’ny olona eto an-tany dia ao amin’ireo fivavahana dimy lehibe indrindra, izany hoe ny Bodisma, Hindoisma, Jodaisma, Kristianina, ary Silamo. Raha Andriamanitra iray ihany no ivavahana, dia tokony hanan-javatra maro iombonana ireo fivavahana ireo, eo amin’ny zavatra inoany sy ny fampianarany momba an’Andriamanitra, ary ny fanazavany ny fikasan’Andriamanitra. Inona no asehon’ny zava-misy?

Nilaza i Hans Küng, manam-pahaizana katolika, fa mitovy hevitra ireo fivavahana lehibe raha ny amin’ny fomba tokony hifampitondran’ny olona. Miaiky, ohatra, ny ankamaroany fa tsy mety ny mamono olona, mandainga, mangalatra, ary ny manao firaisana amin’olom-pady. Ampianariny koa fa tokony hankatoavina ny ray aman-dreny, ary tokony hotiavina ny zanaka. Tena tsy mitovy anefa ny fampianaran’izy ireo eo amin’ny lafiny hafa, indrindra fa ny fampianarana momba an’Andriamanitra.

Mivavaka amin’andriamanitra maro be, ohatra, ny Hindoa. Ny Bodista kosa tsy tena mino hoe misy Andriamanitra. Ampianarin’ny Silamo fa tokana Andriamanitra. Mino izany koa ireo fivavahana mitonona ho Kristianina, na dia mampianatra momba ny Andriamanitra telo izay iray aza ny ankamaroany. Maro koa ny fampianarana tsy iombonan’ireo mitonona ho Kristianina. Mivavaka amin’i Maria, renin’i Jesosy, ohatra, ny Katolika, fa ny Protestanta kosa tsy manao izany. Mandrara ny fandrindram-piterahana ny Katolika, fa tsy mba toy izany ny ankamaroan’ny Protestanta. Ary na ny samy Protestanta aza tsy mitovy hevitra momba ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy.

Mitombina àry ve ny hoe mivavaka amin’Andriamanitra iray ihany ny fivavahana rehetra, nefa na ny fampianarany aza tsy mitovy? Tsy azo inoana izany. Vao mainka aza mikorontan-tsaina ny olona, satria tsy fantany hoe iza marina Andriamanitra, ary inona no takiny amin’izay mivavaka aminy.

Mampiray saina sa mampisara-bazana?

Raha Andriamanitra iray ihany no ivavahana ao amin’ny fivavahana rehetra, dia azo antoka fa samy hiezaka hampiray saina sy hampihavana ny olombelona izy ireo. Izany ve anefa no zava-misy? Nasehon’ny tantara fa tsy nampihavana ny olona ny fivavahana, fa vao mainka aza nampisara-bazana sy nampiady. Andeha isika hijery ohatra vitsivitsy.

Niady tamin’ny Silamo ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina tamin’ny taonjato faha-11 ka hatramin’ny faha-13. Nifanjinja tamin’ilay antsoina hoe Ady Telopolo Taona ny Katolika sy ny Protestanta tany Eoropa, tamin’ny taonjato faha-17. Rafitra ny adin’ny Hindoa sy ny Silamo, raha vao nomen’i Grande-Bretagne fahaleovan-tena i Inde tamin’ny 1947. Teo koa ny adin’ny Katolika sy ny Protestanta tany Irlandy Avaratra, izay naharitra taona maro. Mbola sakay sy maso foana ny Jiosy sy ny Silamo any Israely sy ny manodidina hatramin’izao. Ny lehibe indrindra amin’ireo anefa dia ny Ady Lehibe II, izay nahitana mpivavaka tao amin’ireo fivavahana dimy lehibe indrindra. Nifamono na dia ireo nitovy fivavahana aza.

Hita avy amin’izany fa tsy nitondra fiadanana sy firaisan-tsaina ny fivavahana. Tsy iray ihany ny Andriamanitra ivavahan’ny olona ao amin’izy ireny. Vao mainka nampisara-bazana ny olombelona ny fivavahana. Nampikorontan-tsaina koa ny fampianarany momba an’Andriamanitra sy ny fomba tokony hivavahana. Mila mandinika tsara àry ny olona raha te hanatona an’ilay tena Andriamanitra. Mifanaraka amin’ny torohevitry ny Baiboly, ilay boky ara-pivavahana tranainy indrindra, izany.

Fidio izay hotompoinao

Resahin’ny Baiboly mazava fa tena mila misaintsaina lalina sy manao safidy tsara isika, vao afaka mifandray amin’ilay tena Andriamanitra. Hoy i Josoa, mpanompon’i Jehovah Andriamanitra, tamin’ny Israely fahiny: “Fidio anio izay hotompoinareo, na ny andriamanitra notompoin’ny razanareo tany ampitan’ny Renirano, na ny andriamanitry ny Amorita nonina teto amin’ity tany onenanareo ity. Fa izaho sy ny ankohonako kosa hanompo an’i Jehovah.” Nasain’i Elia mpaminany nanao safidy toy izany koa izy ireo, taona maro tatỳ aoriana. Hoy izy: “Mandra-pahoviana ianareo no hiroa saina? Raha i Jehovah no tena Andriamanitra, dia manaraha azy. Fa raha i Bala [andriamanitry ny Kananita] kosa, dia manaraha azy.”—Josoa 24:15, 16; 1 Mpanjaka 18:21.

Hita avy amin’ireo andinin-teny ireo sy ny hafa, fa nila nanao safidy tamim-pitandremana ireo naniry hanompo an’ilay tena Andriamanitra. Toy izany koa ankehitriny. Mila manao safidy tsara isika raha te hanompo an’ilay tena Andriamanitra. Inona anefa no hanampy antsika handray fanapahan-kevitra? Ahoana no ahafantarana ny mpivavaka marina?

Ny voany no ahafantarana azy

Hoy i Jesosy Kristy momba ny mpivavaka marina sy ny tsy marina: “Mioty voaloboka na aviavy eny amin’ny tsilo ve ny olona? Toy izany koa fa ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara, ary ny hazo ratsy rehetra kosa mamoa voa ratsy. Tsy mety mamoa voa ratsy ny hazo tsara, ary tsy mety mamoa voa tsara ny hazo ratsy. ... Koa ny voa izay vokariny àry no hahafantaranareo tsara an’ireny olona ireny.” Asehon’izany fa ny voany na izay ataony no ahafantarana ny mpivavaka marina. Inona avy izany voa izany?—Matio 7:16-20.

Voalohany, mampiray azy ireo ny fitiavana. Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Omeko didy vaovao ianareo, dia ny mba hifankatiavanareo. Toy ny nitiavako anareo no tokony mba hifankatiavanareo koa. Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.” Tsy maintsy mifankatia ny tena mpanara-dia an’i Kristy. Tokony hiharihary izany, ka lasa marika amantaran’ny olona azy ireo.—Jaona 13:34, 35.

Tsy ny tena Kristianina mihitsy àry no handeha hiady, ka hitondra fitaovam-piadiana. Misy fivavahana tsy miady toy izany ve? Ny Vavolombelon’i Jehovah ihany no tsy nety nanohana ny ady tamin’ny Ady Lehibe II, na inona na inona natao taminy. Niresaka momba ny Vavolombelona i Hanns Lilje, eveka anglikanina taloha tao Hanovre, Alemaina. Hoy izy: “Tsy diso izy ireo raha milaza, fa avy ao amin’ny fivavahany ny ankamaroan’ireo olona tsy nety nandray anjara tamin’ny ady nandritra ny fitondran’i Hitler.” Naleon’ny Vavolombelona tany amin’ny tany maro niaritra fampijaliana na sazy, toy izay hanohana ny ady na handray anjara amin’izany.

Inona koa ny voa amantarana ny tena mpianatr’i Jesosy? Izao no nanombohan’i Jesosy an’ilay vavaka nampianariny: “Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao! Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!” Ny fanamasinana an’ilay anaran’Andriamanitra hoe Jehovah no noresahin’i Jesosy voalohany. Nolazainy koa fa niriny ny hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra mba hanaovana ny sitrapon’i Jehovah eto an-tany. Iza no fivavahana malaza ho mampahafantatra an’ilay anaran’Andriamanitra hoe Jehovah, sy milaza fa ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no hitondra fiadanana eto an-tany? Ny Vavolombelon’i Jehovah. Mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana any amin’ny tany 236 izy ireo, ary mampiely boky sy gazety amin’ny fiteny 470.—Matio 6:9, 10.

Manahaka an’i Jesosy koa ny Vavolombelon’i Jehovah, ka tsy miditra amin’ny politika na amin’ny fifandirana ara-tsosialy. Hoy i Jesosy momba ny mpianany: “Tsy anisan’izao tontolo izao [izy ireo], tahaka ahy tsy anisan’izao tontolo izao.” Manaiky koa ny Vavolombelona fa Tenin’Andriamanitra ny Baiboly. Resy lahatra izy ireo fa “avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra” izy io, ary “mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso, hanafaizana araka ny fahamarinana, mba hahatonga ny olon’Andriamanitra ho tena mahay sy ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.”—Jaona 17:14, 17; 2 Timoty 3:16, 17.

Miavaka ny fivavahana marina

Ireo voa ireo, izany hoe ny fitiavana, fahafoizan-tena, faniriana hanamasina ny anaran’i Jehovah, fitoriana momba ny Fanjakan’Andriamanitra, fisarahana amin’izao tontolo izao, ary ny finoana ny Baiboly, no amantarana ny mpivavaka marina. Mampiavaka ny fivavahana marina amin’ny fivavahana hafa koa ireo voa ireo. Nilaza toy izao ny vehivavy iray, izay niresaka imbetsaka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah: “Maro ny fivavahana fantatro ary mitovy daholo izy rehetra, fa ny anareo kosa miavaka.”

Mazava àry fa tsy Andriamanitra iray ihany no ivavahan’ny olona rehetra. Misy fivavahana iray miavaka amin’izy rehetra anefa, dia ny an’ny Vavolombelon’i Jehovah, izay ahitana mpivavaka fito tapitrisa mahery eran-tany. Mifikitra amin’ny Tenin’Andriamanitra izy ireo sady mampirisika ny hafa hanao izany koa, ka mahavita mampiray olona avy amin’ny firenena, fiteny, foko ary firazanana samihafa mba hanompo an’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra. Tsy vitan’ny fivavahana hafa na fikambanana rehetra izany. Ho faly izy ireo hanampy anao hianatra momba an’ilay tena Andriamanitra sy hahafantatra izay takiny aminao. Ho afaka hiadana sy hilamin-tsaina ianao rehefa manompo an’Andriamanitra amin’ny fomba ankasitrahany. Tsy tanjona mendrika ny hotratrarina ve izany?

[Sary, pejy 14]

Pretra ortodoksa mitso-drano miaramila tany Ukraine, tamin’ny 2004

[Sary nahazoan-dalana]

GENIA SAVILOV/AFP/Getty Images

[Sary, pejy 15]

Manampy olona hianatra momba an’Andriamanitra sy ny Fanjakany ny Vavolombelon’i Jehovah

[Sary nahazoan-dalana, pejy 12]

Pejy 12: Vehivavy bodista: © Yan Liao/Alamy; lehilahy hindoa: © imagebroker/Alamy; pejy 13: Lehilahy mamaky Kôrana: Mohamed Amin/Camerapix; lehilahy jiosy: Todd Bolen/Bible Places.com