Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantany ny Fetran’ny Mety ho Vitantsika

Fantany ny Fetran’ny Mety ho Vitantsika

Manatòna An’Andriamanitra

Fantany ny Fetran’ny Mety ho Vitantsika

Levitikosy 5:2-11

NANIRY hampifaly an’Andriamanitra ny vehivavy iray. Hoy izy: “Niezaka mafy aho, nefa nieritreritra foana hoe tsy ampy mihitsy ny nataoko.” Ankasitrahan’i Jehovah Andriamanitra ve ny ezaka mafy ataon’ny mpanompony? Fantany ve fa mety ho voafetra ny zavatra vitan’izy ireo, arakaraka ny fahaizany sy ny toe-javatra misy azy? Manampy antsika hamaly izany izay lazain’ny Lalàn’i Mosesy, ao amin’ny Levitikosy 5:2-11, momba ny fanatitra sasany.

Nasain’Andriamanitra nanao fanatitra samihafa ny olona teo ambanin’ny Lalàna, mba hamelana ny helony. Ota tsy niniana natao no resahina eto amin’ity andalan-teny ity. (Andininy 2-4) Ahoana àry rehefa fantatr’ilay olona fa nanota izy? Tokony hiaiky izany izy, ary hanolotra “ondrivavy kely na osivavy kely” ho fanatitra noho ny heloka. (Andininy 5, 6) Ahoana anefa raha nahantra ilay olona ka tsy nanana ondry na osy? Raha araka ny Lalàna, tokony hindrana biby aman’olona ve izy, ka voatery hidi-trosa? Sa tokony hiasa izy aloha mba hahazoam-bola hividianany an’ilay biby? Tsy ho voavela tamin’iny fotoana iny anefa ny helony, raha izany.

Asehon’ny Lalàna fa be fiahiana i Jehovah. Izao no voalaza ao: “Fa raha tsy takatry ny volany ny ondry, dia domohina roa na zana-boromailala roa no hoentiny ho an’i Jehovah, ho fanatitra noho ny heloka, noho ny nanotany.” (Andininy 7) Raha nahantra àry ilay Israelita ka tsy nahavidy ondry, dia nahafaly an’Andriamanitra ny domohina roa na voromailala roa nataony fanomezana, satria izay no takatry ny volany.

Ahoana raha mbola tsy takatry ny volan’ilay olona na dia vorona roa aza? “Dia lafarinina tsara toto ampahafolon’ny efaha [iray kilao eo ho eo] no hoentiny ho fanatitra noho ny ota, noho izy nanota”, hoy ny Lalàna. (Andininy 11) Ny tena nahantra ihany no navelan’i Jehovah hanao an’io fanatitra io. Tokony hisy ra mantsy ny fanatitra noho ny ota. * Tsy hoe nahantra àry akory ny Israelita iray dia tsy hahazo famelan-keloka, na tsy ho afaka hifandray tsara amin’Andriamanitra.

Inona no toetran’i Jehovah fantatsika, rehefa dinihina ny lalàna momba ny fanatitra noho ny heloka? Be fiahiana izy ary mahafantatra ny fetran’ny mety ho vitan’ny mpanompony. (Salamo 103:14) Tiany hanatona azy sy hifandray tsara aminy isika, na eo aza ny zava-manahirana antsika. Mety ho inona izany? Ny fahanterana, tsy fahasalamana, andraikitra ara-pianakaviana, na andraikitra hafa. Mampahery ny mahafantatra fa faly i Jehovah Andriamanitra rehefa manao izay vitantsika isika.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Ny ran’ilay biby natao fanatitra no sarobidy, satria nandrakotra fahotana. Masina amin’Andriamanitra mantsy ny ra. (Levitikosy 17:11) Tsy nisy dikany ve izany ilay lafarinina nomen’ny mahantra? Tsia. Azo antoka fa sarobidy tamin’i Jehovah ny toe-tsain’ilay olona, noho izy nanetry tena sy vonona hankatò. Teo koa ny Andro Fandrakofam-pahotana fanao isan-taona. Nandrakotra ny fahotan’ilay firenena, anisan’izany ny mahantra, ny ran’ireo biby natao fanatitra tamin’io.—Levitikosy 16:29, 30.