Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Eken’Andriamanitra ve ny Fananana Vady Maro?

Eken’Andriamanitra ve ny Fananana Vady Maro?

Manontany ny Mpamaky

Eken’Andriamanitra ve ny Fananana Vady Maro?

Tsia. Vady tokana no nomen’Andriamanitra ny lehilahy voalohany tao Edena. Nohamafisin’i Jesosy Kristy tamin’ny mpanara-dia azy io fitsipika momba ny fanambadiana io, tatỳ aoriana.—Genesisy 2:18-24; Matio 19:4-6.

Tsy nanana vady maro ve anefa ny lehilahy fahiny, toa an-dry Abrahama, Jakoba, Davida ary Solomona? Marina izany, saingy inona no lazain’ny Baiboly? Resahiny fa nisy ady sy disadisa teo amin’ny tokantranon’i Abrahama sy Jakoba, noho izy ireo nanana vady maro. (Genesisy 16:1-4; 29:18–30:24) Izao koa no anisan’ny Lalàna nomen’Andriamanitra tatỳ aoriana ho an’ny mpanjaka: “Aoka ... izy tsy hampitombo ny isan’ny vadiny, sao hivily ny fony.” (Deoteronomia 17:15, 17) Tsy niraharaha an’izany i Solomona, ka naka vady 700 mahery! Nampalahelo fa nivily tokoa ny fony, ka tsy nanompo an’i Jehovah intsony izy, satria notaomin’ireo vadiny. (1 Mpanjaka 11:1-4) Tena ratsy tokoa àry ny zavatra resahin’ny Baiboly momba ny fananana vady maro.

Mety hisy hieritreritra anefa hoe nahoana no navelan’Andriamanitra hanana vady maro ny vahoakany. Diniho izao: Aoka hatao hoe nisy zavatra mbola notazoninao ihany tao aminareo, nefa efa tokony hosoloana ilay izy. Nieritreritra angamba ianao tamin’izay hoe mety hanimba zavatra fotsiny raha nosoloanao avy hatrany ilay izy. Marina fa ambony noho ny antsika ny fihevitr’Andriamanitra sy ny fomba fanaovany zavatra. (Isaia 55:8, 9) Mety ho azontsika ihany anefa ny antony namelany ny olona hanana vady maro nandritra ny fotoana elaela.

Tadidio fa nampanantena “taranaka” iray i Jehovah tao Edena, ary izy io no handringana an’i Satana. Nolazaina tamin’i Abrahama tatỳ aoriana fa ho rain’ny firenena lehibe izy, ary avy aminy no hipoiran’ilay Taranaka nambara mialoha. (Genesisy 3:15; 22:18) Tsy tian’i Satana ho tonga anefa io Taranaka io, ka nataony izay haharingana ny firenen’Israely. Matetika izy no naka fanahy azy ireo, mba tsy hahazoany ny fankasitrahan’Andriamanitra sy ny fiarovany.

Nanao zavatra anefa i Jehovah. Imbetsaka izy no naniraka mpaminany mba hampitandrina ny vahoakany, rehefa nitady hiala tamin’ny fitsipiny marina izy ireo. Efa fantany anefa hoe tsy ho vitan’ny Israelita foana ny hankatò, na dia lalàna faran’izay tsotra, toy ny fanompoan-tsampy aza. (Eksodosy 32:9) Raha sarotra amin’izy ireo ny hankatò ny lalàna toy izany, ahoana no hankatoavany ny lalàna mandrara ny fananana vady maro? Fantatr’i Jehovah tsara ny olombelona. Hitany àry fa mbola tsy fotoana handrarana ny fananana vady maro tamin’izay, satria efa fanao hatramin’ny ela izany. Raha nandrara izany koa izy, dia tena ho mora tamin’i Satana ny hampanota ny Israelita.

Nisy nahatsara azy koa ny namelan’Andriamanitra azy ireo hanana vady maro nandritra ny fotoana elaela. Afaka nitombo haingana ilay firenena, ka hisy foana mandra-pahatongan’ny Mesia. Noho io fanao io, dia nety ho nahazo fiarovana sy ankohonana koa ny vehivavy sasany, ka tsy ho notandindomin-doza.

Tadidio anefa fa tsy i Jehovah no namorona ny fananana vady maro. Noleferiny izany nandritra ny fotoana elaela, nefa nametra fitsipika izy mba tsy hisy hanao zavatra tafahoatra. (Eksodosy 21:10, 11; Deoteronomia 21:15-17) Tsy navelany hanana vady maro intsony ny mpanompony tatỳ aoriana. Ny Zanany mihitsy no nasainy nanamafy an’ilay fitsipika tao Edena. Tsy navelan’i Jesosy hanana vady maro àry ny mpianany. (Marka 10:8) Mazava amintsika izao fa tsara ny Lalàn’i Mosesy tamin’ny fotoan’androny, saingy tsara kokoa “ny lalàn’i Kristy.”—Galatianina 6:2.