Hevi-diso 2: Ampijalina any Amin’ny Afobe ny Ratsy Fanahy
Ahoana no niandohan’io hevi-diso io?
“Amin’ireo filozofa grika rehetra, dia i Platon no tena nahatonga olona maro hino ny Afobe.”—Tantaran’ny Afobe (frantsay), nataon’i Georges Minois, pejy 50.
“Nihevitra ireo Kristianina nianatra filozofia grika, fa tokony hampifanarahana amin’izy io ny fomba anazavany ny finoany. Nanomboka nanao izany izy ireo teo antenatenan’ny taonjato faharoa ... Ny fampianaran’i Platon no hitan’izy ireo fa nety tsara mba hanaovana izany.”—Ny Rakipahalalana Britannica Vaovao (1988), Boky Faha-25, pejy 890.
Hoy ny Katesizin’ny Eglizy Katolika (anglisy), fanontana 1994, pejy 270: “Ampianarin’ny Eglizy fa tena misy ny afobe sady maharitra mandrakizay. Rehefa maty ny olona nanao fahotana mahafaty, dia midina any avy hatrany ny fanahiny, ka ampijalina mandrakizay ao amin’ny ‘afo tsy mety maty.’ ” “Ny afobe dia sazy lehibe isarahana mandrakizay amin’Andriamanitra.”—Katesizin’ny Fiangonana Katôlika, nofintinina, Edisiôna Md Paoly, Boky Faha-3, pejy 43.
Inona no lazain’ny Baiboly?
“Ny velona mahalala fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona, ... fa tsy misy asa na fahalalana, na fahaizana, na fahendrena any amin’ny seoly izay halehanao.”—Mpitoriteny 9:5, 10, Fandikan-teny Katolika.
Adikan’ny Baiboly sasany hoe “afobe” ilay teny hebreo hoe seoly, izay manondro ny “fonenan’ny maty.” Manao ahoana anefa ny maty, araka io andininy io? Mijalijaly any amin’ny seoly ve izy ireo, mba hanonerana ny fahotany? Tsia, satria “tsy mahalala na inona na inona” izy ireo. Izany no antony niangavian’i Joba an’Andriamanitra mba ‘hanafina azy any amin’ny fonenan’ny maty’, rehefa nijaly mafy noho ny aretina izy. (Joba 14:13, Kat.) Ho niangavy toy izany ve izy raha toerana fampijaliana mandrakizay ny fonenan’ny maty, na seoly? Ny fasana misy ny maty rehetra àry ny seoly, na afobe. Tsy afaka manao na inona na inona intsony ny maty rehefa any.
Tsy hitanao hoe mitombina sy mifanaraka kokoa amin’ny Baiboly ve izany? Na dia ratsy toy inona aza ny heloka vitan’ny olona iray, dia hampijaly azy mandrakizay ve ilay Andriamanitra fitiavana? (1 Jaona 4:8) Raha diso àry ny fampianarana momba ny afobe, ahoana kosa ny momba ny lanitra?
Ampitahao amin’ireto andininy ireto izany: Salamo 146:3, 4; Asan’ny Apostoly 2:25-27; Romanina 6:7, 23
NY MARINA:
Tsy manasazy ny olona any amin’ny afobe Andriamanitra