Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manova Olona ny Baiboly

Manova Olona ny Baiboly

Manova Olona ny Baiboly

INONA no nampiova ny jiolahy iray mpifoka rongony? Nahoana ny lehilahy iray no tsy nanao rock mavesatra intsony sady nanapaka ny volony lava be? Inona no nahatonga ny lehilahy iray hanompo an’Andriamanitra, nefa izy tsy tia fivavahana taloha sady tsy tia fehezin’ny fanjakana? Araho ny tantaran’izy ireo.

“Resiko ny fahazaran-dratsiko.”​—PETER KAUSANGA

TAONA: 32

FIRENENA: NAMIBIA

FIAINANY TALOHA: JIOLAHY SY MPIFOKA RONGONY

NY FIAINAKO TALOHA: Lehibe tany Kehemu, tanàna be mponina any Rundu, aho. Mpivarotra ampemby sy hazo ary saribao ny olona any.

Vao roa taona aho no maty ny reniko, ka ny renibeko no nitaiza ahy. Tsotra ny fiainanay. Lasa mpikomy aho satria voataonan’ny naman-dratsy. Niaraka tamin’ny andian-jiolahy aho tany am-pianarana. Niady teny an’arabe izahay, nihetraketraka, nangalatra, nivarotra diamondra an-tsokosoko, niboboka toaka, ary nifoka rongony. Indroa nigadra aho satria tratra nangalatra sy nisoloky.

Tsy nianatra intsony aho tamin’izaho 18 taona. Tsy niaraka tamin’ilay andian-jiolahy intsony koa aho, ary nifindra monina. Te hiova aho, nefa tsy nety afaka tamin’ny rongony. Nahavita nandeha an-tongotra lavitra be aho indraindray, mba hahazoana azy io na dia kely fotsiny aza.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, tamin’ny 1999. Nizara gazety teny an-dalana izy ireo tamin’izay. Nanaja ahy ry zareo, ka tena nanohina ny foko izany. Novakiko ilay gazety nomeny ahy, ary resy lahatra aho fa nahita ny fivavahana marina. Nazoto nianatra Baiboly aho nanomboka teo, ary tsy ela dia tsapako fa nila niova aho raha te hampifaly an’i Jehovah Andriamanitra.

Nataoko hentitra tsara àry ny fotoana hanombohako tsy hifoka intsony. Nopotehiko koa ny zava-drehetra mety hahatonga ahy hifoka. Nilazako ny namako mba tsy hanome sigara ahy sy tsy hifoka rehefa miaraka amiko. Indroa anefa aho no tsy nahafehy tena fa nifoka. Tsy nahakivy ahy izany. Notadidiko ilay toro lalana ao amin’ny Ohabolana 24:16 hoe: “Mety ho lavo impito ny marina, nefa ho tafarina ihany.” Resiko ny fahazaran-dratsiko tamin’ny farany.

Vao mainka aho te hinamana akaiky tamin’i Jehovah arakaraka ny nahalalako azy. Nanohina ny foko ny Salamo 27:10 hoe: “Na mandao ahy aza ny raiko sy ny reniko, dia handray ahy kosa i Jehovah.” Hitako fa tena marina izany, arakaraka ny nandalinako ny Baiboly. Tsapako fa tena misy izy, sady Ray be fitiavana.

Nifanerasera tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah koa aho. Tena mpinamana izy ireo sady mifankatia. Mbola tsy nahita toy izany mihitsy aho taloha.

NY SOA NORAISIKO: Nampian’i Jehovah sy ny Vavolombelona aho, ka vitako ny nanova ny fitondran-tenako, fomba fitafiko, taovoloko, ary ny fomba fiteniko. Toy ny hoe fanday faran’izay ratsy aho, nefa lasa lolo tsara tarehy. Faly ny havako nahita izany, ary matoky ahy ry zareo izao. Efa manambady aman-janaka aho, ary miezaka mafy mba hitia sy hikarakara azy ireo.

“Izao vao tena tiako ny fiainako.”​—MARCOS PAULO DE SOUSA

TAONA: 29

IRENENA: BREZILA

FIAINANY TALOHA: MPANAO ROCK MAVESATRA

NY FIAINAKO TALOHA: Nipetraka tany Jaguariuna, any São Paulo, izahay. Katolika nafana fo ny ray aman-dreniko, ary mpiserivy lamesa aho taloha. Nataon’ny ankizy hoe “Mompera” àry aho tany am-pianarana. Lasa tia rock mavesatra aho, tamin’izaho 15 taona, ary nanomboka niaraka tamin’ny mpihira rock. Nohalavaiko ny voloko. Nampian’ny dadanay ny volako, ka afaka nividy bateria hotendreko aho tamin’ny 1996.

Niditra tao amin’ny tarika iray mpanao rock mavesatra aho, tamin’ny 1998. Niresaka momba ny asan’ny maizina ny hiranay, sady vetaveta no nanindrahindra herisetra. Nisy vokany teo amin’ny fisainako sy ny fitondran-tenako ilay izy, ka lasa mora kivy sy tia ady aho.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Nihaona voalohany tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, tamin’ny 1999. Nanasa ahy hianatra Baiboly izy ireo. Nanaiky aho, na dia tsy tena liana aza. Niova anefa ny fahitako ny fiainana rehefa nianatra aho.

Nantsoin’ny olona hoe “Ralava volo”, na “ilay mpanao rock malaza”, na “ilay mpively bateria” aho. Tsapako anefa fa lasa tia tena sy tia nifaninana aho tao amin’ilay tarika. Lasa tsy tiako intsony àry ilay hoe malaza. Hitako koa fa tsy nisy dikany ny fiainan’ireo mpihira nankafiziko. Takatro tsikelikely fa tokony hiova aho raha te hampifaly an’i Jehovah. Nila najanoko ny rock mavesatra. Nila niezaka koa aho mba hadio fitondran-tena sy tsy hanindrahindra mpihira intsony.

Toa tsy ho tantiko tamin’izany ny hoe hanapa-bolo sy tsy hanao rock. Nahery setra koa aho, ka tsy maintsy nianatra nifehy tena. Lasa tia kokoa an’i Jehovah anefa aho rehefa nianatra Baiboly. Nanjary fantatro mantsy fa be fitiavana sy manam-paharetana ary mamindra fo izy. Niangavy azy aho mba hanampy ahy hiova, ary nanao izany tokoa izy. Hitako fa tena marina ny Hebreo 4:12 hoe: “Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra.”

Vao nifanerasera tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, dia voamariko fa hafa mihitsy ry zareo. Mbola tsy nahita olona nifankatia be toa azy ireo aho. Tamin’ny fivoriambe nataony no tena nahitako izany, ary tena gaga aho. Nisy tamin’izy ireo niasa an-tsitrapo mba hahatonga ny mpanatrika hahazo aina tsara sy hifantoka mandritra ilay fivoriambe.

NY SOA NORAISIKO: Efa tsy mora tezitra intsony aho izao, noho ny fanampian’i Jehovah. Tsy tia tena sady tsy manambony tena intsony koa aho.

Tsoriko fa nisy fotoana aho nanembona ny lasa, saingy efa hadinoko izany ankehitriny. Izao vao tena tiako ny fiainako. Faly aho fa mianatra mitady izay hahasoa ny hafa.

‘Mahafaly ahy ny manampy olona.’​—GEOFFREY NOBLE

TAONA: 59

FIRENENA: ETAZONIA

FIAINANY TALOHA: TSY TIA FIVAVAHANA SADY TSY TIA FEHEZIN’NY FANJAKANA

NY FIAINAKO TALOHA: Tany Ipswich, any Massachusetts, izahay no nipetraka. Tanàna amoron-tsiraka tsy dia mandroso izy io. Nifindra tany ambanivohitr’i Vermont aho rehefa lehibe. Tsotra be ny fiainanay sy ilay olon-tiako raha oharina amin’ny an’ny Amerikanina hafa. Tsy nisy herinaratra tao aminay, ka afo kitay no nanafanana ny tao an-trano sy nandrahoana sakafo. Tsy nandeha ny rano tamin’ny paompy, saika nandritra ny taona. Tany an-tokotany koa ny kabine. Nihatakataka tamin’ny mpiara-monina izahay, ary nataonay hafa ny paozinay sy ny volonay. Nisy fotoana aza aho nirehareha mihitsy hoe tsy nihogo volo nandritra ny enim-bolana!

Niditra tamin’ny Adin’i Vietnam i Etazonia tamin’izany. Lasa tsy tiako àry ny fanjakana sy ny mpitondra fivavahana, satria nihatsaravelatsihy. Nihevitra aho hoe tsy mahavaha olana izy ireo, ka aleo ny tsirairay no manao izay fantany fa mety. Tsy hitako àry tamin’izany ny maharatsy ny mangalatra rehefa ilaina ilay izy.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Te hisoratra tamiko ilay olon-tiako sady te hanan-janaka. Mba niezaka mafy niala tamin’ny rongony koa aho. Nanomboka namaky Baiboly izahay roa, nefa tsy nisy azonay izay novakinay. Nisy Vavolombelon’i Jehovah tonga tao aminay, ary nanomboka nianatra Baiboly izahay.

Tsy ela dia resiko ny fahazaran-dratsiko. Sarotra tamiko anefa ny nanaiky fahefana, satria olona tsy mora mankatò aho. Tsy mba nisy nifehifehy aho taloha, ka mafy tamiko ny hoe hanaiky tenin’olona.

Efa nino foana aho hoe misy ny Mpamorona, saingy tsy tena fantatro izy. Lasa nahalala ny toetran’i Jehovah Andriamanitra anefa aho, rehefa nianatra Baiboly. Hita mazava tsara ao ny fitsipiny sy izay zavatra tiany hataoko. Nianarako koa fa mikasa hanao ny tany ho paradisa izy. (2 Petera 3:13) Naniry hiova àry aho mba hekeny hanompo azy.

Tena gaga koa aho fa ny Vavolombelon’i Jehovah irery no manaraka ilay fitsipiky ny Baiboly hoe tsy mety ny mandeha miady. Mbola tsy nahita fivavahana toy izany mihitsy aho.

Fantatro koa fa nila nanova ny paoziko aho, raha te hanompo an’i Jehovah. Tsy dia tiako tamin’ny voalohany ny hanahaka ny fomba fiakanjon’ny Vavolombelona. Tsy mba nanana akanjo na kiraro mihaja mantsy na izaho na ireo namako, mainka moa fa hoe kravaty! Notapahiko anefa ny voloko, ary nanao akanjo mendrika aho. Na izany aza, dia mbola tsaroako ilay fotoana voalohany nitoriako isan-trano. Hitako teo amin’ny varavaram-pitaratra iray ny paoziko. Niteny anakampo aho hoe: ‘Dia lasa hoatr’izao ve ny paoziko e?’ Tsy nampaninona ahy intsony anefa ilay izy, rehefa nandeha ny fotoana.

NY SOA NORAISIKO: Nisoratra izahay roa, ary mbola sambatra ny tokantranonay hatramin’izao. Niteraka telo izahay, ary ampianay ho tia sy hanompo an’i Jehovah izy ireo. Faly koa aho mitory ny fahamarinana ara-baiboly, izay nanova ahy.

Tsy miraharaha ny hafa aho taloha, ary naverimberiko foana izany. Mahafaly ahy kosa izao ny manampy olona sy mahita hoe tsara fanahy amiko izy ireo.

[Teny notsongaina, pejy 26]

‘Nahavita nandeha an-tongotra lavitra be aho, mba hahazoana rongony na dia kely fotsiny aza’

[Teny notsongaina, pejy 28]

‘Niova ny fahitako ny fiainana rehefa nianatra Baiboly aho’

[Teny notsongaina, pejy 29]

“Tsy dia tiako tamin’ny voalohany ny hanahaka ny fomba fiakanjon’ny Vavolombelona”