Fomba Anampiana Namana Marary
Fomba Anampiana Namana Marary
TSY nahita holazaina angamba ianao rehefa nitsidika namana iray marary mafy. Matokia fa afaka manampy azy ianao. Amin’ny fomba ahoana? Tsy misy lalàna hentitra momba izany. Tsy mitovy mantsy ny kolontsaina sy ny toetran’ny olona. Tsy voatery hahasoa ny marary iray àry izay nahasoa ny marary hafa. Mety hiovaova be isan’andro koa ny zavatra iainany sy tsapany.
Tena ilainao àry ny miezaka maka ny toeran’ilay marary ary mamantatra izay tena tiany hataonao. Ahoana no hanaovana an’izany? Ireto misy soso-kevitra vitsivitsy avy ao amin’ny Baiboly.
Aoka ianao hahay hihaino
TORO LALAN’NY BAIBOLY:
“Aoka ny olona rehetra ho mailaka hihaino, tsy ho maika hiteny.”—JAKOBA 1:19.
“Misy fotoana anginana ary misy fotoana itenenana.”—MPITORITENY 3:1, 7.
◼ Henoy tsara ilay namanao marary rehefa mamangy azy ianao. Aza maika ny hanoro hevitra, na mieritreritra hoe tsy maintsy manana vahaolana foana ianao. Mety hahateny zavatra mampalahelo ianao raha manao izany, na dia tsy fanahy inianao aza. Tsy voatery hoe mila torohevitra ilay namanao, fa mba mila olona tena hihaino azy fotsiny.
Avelao hamboraka ny ao am-pony izy. Aza tapahina ny teniny, ary aza mamerimberina teny toa mampiseho hoe tsy dia misy dikany ny aretiny. Hoy i Emílio: * “Voan’ny menenzita aho ary lasa jamba. Kivy be aho indraindray ary miezaka mampahery ahy ny namako, ka milaza hoe: ‘Tsy ianao irery no manana olana. Mbola ratsy kokoa aza ny an’ny hafa.’ Tsy fantany anefa fa rehefa hamaivanin’izy ireo ny aretiko, dia tsy manampy ahy mihitsy izany fa vao mainka aza mampamoy fo.”
Avelao hamboraka ny ao am-pony izy ary ataovy izay tsy hatahorany hoe hokianina. Raha milaza izy fa matahotra, dia ekeo izany fa aza miteny fotsiny hoe aza matahotra. Hoy i Eliana, voan’ny kansera: “Tsy hoe tsy matoky an’Andriamanitra intsony aho raha mitomany noho ny fanahiana ny amin’izay hanjo ahy.” Jereo hoe manao ahoana marina ilay namanao, fa tsy hoe tianao hanao ahoana izy. Tadidio hoe tsy toy ny isan’andro izy fa mety ho mora malahelo. Manàna faharetana. Henoy izy na dia zavatra mitovy foana aza no averimberiny. (1 Mpanjaka 19:9, 10, 13, 14) Te hiresaka aminao an’izay manjo azy angamba izy.
Mahaiza miombom-pihetseham-po sy tsara fanahy
TORO LALAN’NY BAIBOLY:
“Miaraha mifaly amin’izay mifaly, ary miaraha mitomany amin’izay mitomany.”—ROMANINA 12:15.
“Izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo ... dia mba ataovy aminy koa.”—MATIO 7:12.
◼ Mipetraha eo amin’ny toeran’ilay namanao. Mety hatahotra sy ho mora tohina, ohatra, izy raha hodidiana na hotsaboina na miandry valin’ny fitsirihana. Mahaiza mahatakatra ny manjo azy ary aza sorena raha miovaova ny fihetseham-pony. Aza dia manontanintany be, indrindra fa momba ny fiainany manokana.
Hoy i Ana Katalifós, psikology: “Avelao hilaza izay tiany holazaina momba ny aretiny ny marary. Miresaha aminy rehefa te hiresaka izy, na inona na inona tiany horesahina. Afaka mangina fotsiny anefa ianao rehefa tsy te hiresaka izy. Mety tena hampahery azy koa raha fihininao ny tanany. Na angamba izy te hitomany ka mila olona hiombom-pihetseham-po aminy.”
Aza resahina etsy sy eroa ny fiainan’ilay namanao. Hoy i Rosanne Kalick mpanoratra, izay indroa saika matin’ny kansera: “Raiso ho tsiambaratelo izay lazain’ilay marary aminao momba ny aretiny, fa aza resadresahina amin’olona, raha tsy hoe ianao no nasain’ny fianakaviana hisolo tena azy ireo. Anontanio an’ilay marary izay azo resahina.” Hoy i Edson, izay saika matin’ny kansera: “Nisy namako nanely resaka hoe voan’ny kansera aho ka efa ho faty. Marina fa voan’ny kansera aho nefa nodidiana fotsiny ary mbola niandry ny valin’ny fitsirihana. Tsy nihombo ilay aretina, saingy efa niparitaka ilay resaka. Nahasorena ny vadiko ny teny sy fanontaniana tsy voahevitra nolazain’ny olona.”
Rehefa mieritreritra izay fitsaboana harahiny ny namanao, dia aza maika hilaza izay mety ho nataonao raha ianao no teo amin’ny toerany. Hoy i Lori Hope mpanoratra, izay efa saika matin’ny kansera: “Tsara anontaniana aloha ny olona voan’ny kansera na efa saika matiny, raha te hahazo lahatsoratra na vaovao samihafa izy, alohan’ny hanomezana izany azy. Tsy ho fantatrao mihitsy angamba hoe mety hahasosotra azy izany, na dia tsara fikasa aza ianao.” Tsy ny rehetra no te hototofana fanazavana momba ny karazana fitsaboana.
Aza mijanona ela rehefa mamangy, na namanao be aza izy. Tena ilaina ny fitsidihanao nefa mety tsy tena te hiresaka aminao izy. Reraka angamba izy ka tsy mahavita mihaino na miresaka ela. Aza atao koa anefa izay hiheverany hoe maika handeha ianao. Tokony ho tsapany fa tena miahy azy ianao.
Mila mahay mandanjalanja sy mandinika tsara ianao raha te hiahy azy. Tsara, ohatra, ny manontany raha misy zavatra tsy zakany,
alohan’ny hikarakarana sakafo ho azy. Raha marary ianao, ohatra hoe voan’ny sery, dia aza mitsidika azy raha tsy sitrana, mba ho fiahiana azy.Mahaiza mampahery
TORO LALAN’NY BAIBOLY:
‘Ny tenin’ny hendry manasitrana.’—OHABOLANA 12:18.
“Aoka ho teny mahafinaritra sady mamy sira foana no holazainareo.”—KOLOSIANINA 4:6.
◼ Ho hita amin’izay lazainao sy ataonao ny fiheveranao an’ilay namanao marary. Tadidio fa tsy niova izy fa mbola manana an’ireo toetra tsara nitiavanao azy hatramin’izay. Izy eritreretina fa tsy ny aretiny. Mety hanomboka hihevitra ny tenany ho tsy misy antenaina izy raha toy izany no fiheveranao azy rehefa miresaka aminy ianao. Hoy i Roberta, manana aretin-taolana: “Hevero ho toy ny olon-drehetra aho. Manana ny hevitro sy ny faniriako aho na dia malemy aza. Aza mitsetra ahy, ary aza atao toy ny hoe vendrana aho rehefa miresaka amiko.”
Tadidio fa tsy izay lazainao ihany no hisy vokany eo aminy fa ny fomba ilazanao azy koa, eny fa na dia ny toe-peonao aza. Nantsoin’ny namany any andafy i Ernesto, tsy ela taorian’ny nahavoan’ny kansera azy. Hoy ilay namany: “Tsy nampoiziko hoe ianao no ho voan’ny kansera!” Hoy i Ernesto: “Nangorintsina aho naheno ny fomba nitenenany an’ilay hoe ‘ianao’ sy hoe ‘kansera.’ ”
Hoy koa i Lori Hope, mpanoratra: “Mety hanana heviny samihafa amin’ilay marary ny fanontaniana hoe: ‘Manao ahoana ny fahasalamanao?’ Mety hamelombelona na hampahory na hampahatahotra azy izany arakaraka ny toe-peon’ilay manontany, ny fihetsiny, ny fifandraisany amin’ilay marary, ary indrindra fa ny fotoana hitenenany.”
Azo antoka fa tian’ny marary ny mahatsapa hoe karakaraina sy hajaina izy ary takatry ny olona ny manjo azy. Omeo toky àry izy fa tena sarobidy aminao ary vonona hanampy azy ianao. Hoy i Rosemary, izay voan’ny fivontosana ao amin’ny atidoha: “Tena nampahery ahy ny nandre an’ireo namako nilaza hoe tiany aho ary ho eo foana izy ireo.”—Ohabolana 15:23; 25:11.
Aoka ianao ho vonon-kanampy
TORO LALAN’NY BAIBOLY:
‘Aoka isika tsy ho tia amin’ny teny na amin’ny lela fotsiny, fa amin’ny atao sy amin’ny fahamarinana koa.’—1 JAONA 3:18.
◼ Miovaova ny zavatra ilain’ilay namanao, mandritra ny fotoana aharariany. Mety hila fanampiana foana anefa izy. Farito izay tianao hanampiana azy, fa aza miteny fotsiny hoe: “Antsoy aho raha misy ilainao.” Misy zavatra azonao atao ve mba hampisehoana fa miahy azy ianao? Afaka manolo-tena hikarakara ny sakafony, ohatra, ianao, hanadio, hanasa lamba, hipasoka, hirakirahina, hiantsena, na hitondra azy rehefa mivezivezy any amin’ny hopitaly na any amin’ny dokotera izy. Miezaha hihazona ny teninao sy ho marim-potoana.—Matio 5:37.
Hoy ihany i Rosanne Kalick: “Efa manampy an’ilay marary isika raha manampy azy hiatrika ny aretiny, na be na kely ny ataontsika.” Manaiky an’izany i Sílvia, izay saika matin’ny kansera indroa. Hoy izy: “Manao radio any amin’ny tanàn-dehibe iray aho isan’andro. Miovaova ny namana mitondra ahy any, ka tena maivamaivana sy mahazo hery aho. Miresaka zavatra samihafa izahay eny an-dalana, ary mijanona amin’ny hotely kely fisakafoana foana isaky ny miverina mody. Hadinodinoko ny aretiko noho izany.”
Aza mihevitra anefa hoe fantatrao tsara izay ilain’ilay namanao. Hoy i Kalick: “Manontania
foana.” Hoy koa izy: “Marina fa te hanampy ianao, nefa aza atao daholo io rehetra io. Mety hahasorena ahy izany. Toa te hiteny ianao hoe tsy mahavita zavatra aho matoa tsy avelanao manao na inona na inona. Te hahatsapa aho hoe ilaina, fa tsy hoe tena voa mafy. Ampio hanao izay vitako aho.”Azo inoana fa te hahatsapa hoe mahavita zavatra ilay namanao. Hoy i Adilson, izay voan’ny SIDA: “Tsy te hailikilika, toy ny hoe tsy misy ilana azy sy tsy mahavita na inona na inona, ianao rehefa marary. Te hanao zavatra ianao, na dia kely fotsiny aza. Tsara erỳ ny mahatsapa hoe mbola mahavita zavatra ianao, satria mandrisika anao hanohy hiaina izany. Tiako raha mamela ahy hanapa-kevitra ny olona, ary manaja an’izany. Tsy hoe raha marary izahay, dia tsy ho vitanay ny andraikitry ny ray na ny reny na ny toy izany.”
Mifandraisa aminy foana
TORO LALAN’NY BAIBOLY:
“Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana, sady toy ny rahalahy natao hanampy amin’ny fotoam-pahoriana.”—OHABOLANA 17:17.
◼ Afaka mitelefaonina an’ilay namanao ianao, na manoratra kely, na mandefa e-mail, raha tsy afaka mitsidika azy noho ny halavirana na ny antony hafa. Inona no azonao soratana? Hoy i Alan Wolfelt, manam-pahaizana: “Tantarao indray ireo fotoana mamy niarahanareo. Omeo toky izy hoe tsy ho ela ianao dia hanoratra indray, ary tanteraho izany.”
Mety tsy hankany amin’ilay namanao marary ianao, satria matahotra sao hiteniteny foana na hanaonao foana. Tsy mety anefa izany, satria mazàna no tena ilaina ny fahatongavanao. Hoy i Lori Hope ao amin’ny bokiny: “Mety hitranga amin’ny rehetra ny hoe diso fandray ny zavatra lazainy sy ataony ny olona, na ny hoe mampalahelo olona tsy nahy. Tsy izany anefa no olana. Hisy kosa ny olana raha matahotra loatra ny hanao fahadisoana ianao, ka manalavitra ny olona mila anao.”
Izao angamba ilay namanao marary mafy no tena mila anao. Asehoy fa “tena namana” ianao. Mety tsy hanala ny fanaintainany ny ezaka ataonao, nefa azo inoana fa hanampy azy hiaritra ny mafy.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ Novana ny anarana sasany.