Olana Mitondra Fanantenana
Olana Mitondra Fanantenana
“Amin’ny andro farany, dia hisy fotoan-tsarotra tsy mora setraina.”—2 TIMOTY 3:1.
EFA nahare na nahita ny iray amin’ireto zavatra mampalahelo ireto ve ianao?
● Aretina nahafaty olona maro.
● Mosary namono olona an-jatony.
● Horohoron-tany nahafaty olona an’arivony ary nahatonga olona maro kokoa tsy hanan-kialofana.
Hiresaka zava-mitranga mampisaintsaina toy izany ireo pejy manaraka. Ho hitanao ao koa fa efa naminany ny Baiboly hoe hitranga izany mandritra ilay fotoana antsoina hoe “andro farany.” *
Tsy natao hampiaiky anao anefa ity andian-dahatsoratra ity hoe miaina eo anivon’ny tontolo iray feno olana isika. Ianao ihany aza angamba dia efa mahita an’izany. Natao hanome fanantenana anao kosa izy ity. Faminaniana enina no horesahina ato, ary hohazavaina ato fa kely sisa dia hifarana ny “andro farany” matoa tanteraka ireo faminaniana ireo. Ho hitanao ato ny hevitry ny olona tsy mino an’izany, sy ny porofo mari-pototra fa ho tsara ny hoavy.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 7 Manazava ny antony amelan’Andriamanitra an’ireo zava-dratsy ireo hitranga ilay lahatsoratra hoe “Nahoana Andriamanitra no Mamela ny Faharatsiana sy ny Fijaliana Hisy?”, ao amin’ny pejy 16 sy 17 amin’ity gazety ity.