Ampifalio i Jehovah
Fizarana Diplaoman’i Gileada, Kilasy Faha-131
Ampifalio i Jehovah
NISY fizarana diplaoman’ny kilasy faha-131 amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada, tamin’ny 10 Septambra 2011. Tonga nanatrika azy io ny fianakaviana sy ny naman’ireo mpianatra, ka nisy 9 063 ny mpanatrika. Vao hanomboka ilay fandaharana, dia nidobodoboka ny fon’ny mpianatra sy ny mpandahateny. Nahazo aina sy nitsikitsiky daholo anefa ny rehetra, rehefa nifarana ilay fandaharana. Tena nankafizin’izy ireo ny lahateny sy fampisehoana ary fanadinadinana.
I Stephen Lett, anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, no nanolotra ny fandaharana sy nanao ny lahateny voalohany. Nohazavainy fa toy ny hoe manana maso sy sofina ary tanana i Jehovah, ka ampiasainy izany mba hanampiana antsika. Nanasongadina andinin-teny maromaro miresaka an’izany izy.
Nohazavainy aloha ny 2 Tantara 16:9 hoe: “Ny mason’i Jehovah dia mijery eny rehetra eny manerana ny tany, mba hanehoany ny heriny hamonjena izay mifikitra aminy amin’ny fo manontolo.” Nampirisihiny ireo mpianatra mba ho tia an’i Jehovah foana amin’ny fo manontolo. Nilaza koa izy fa manahaka an’Andriamanitra izy ireo, raha mijery foana ny toetra tsaran’ny olona. Niresaka ny 1 Petera 3:12 indray izy avy eo. Voalaza ao fa toy ny manana sofina i Jehovah ka mihaino ny fitalahoan’ny olo-marina. Nampirisihiny àry ireo mpianatra mba hivavaka foana amin’i Jehovah, ka hitadidy fa tena tian’i Jehovah ny mihaino azy ireo.
Noresahin’ilay mpandahateny koa ny Isaia 41:13 hoe: “Izaho Jehovah Andriamanitrao no mitantana anao amin’ny tananao ankavanana, eny, izaho Ilay milaza aminao hoe: ‘Aza matahotra fa hanampy anao aho.’ ” Hoy ny Rahalahy Lett: “Tena mampahery erỳ izany! I Jehovah mihitsy no manatsotra ny tanany mba hitantanana antsika.” Hoy izy avy eo: ‘Avelao hanampy anareo foana àry i Jehovah. Afaka manahaka an’i Jehovah koa ianareo ka manatsotra ny tananareo hanampy ny hafa.’
Farany, dia namaky ny Isaia 40:11 ny Rahalahy Lett. Nilaza izy fa tena tia antsika i Jehovah raha io andininy io no jerena. Hoy izy: “Eritrereto ange hoe iny i Jehovah fa manangona antsika amin’ny sandriny, dia mitrotro antsika eo an-tratrany e!” Tena hahafinaritra angamba izany, nefa inona no tokony hataontsika? Tokony hanao toy ny zanak’ondry kely isika ka ho mora manaiky, amin’izay tena te hitrotro antsika i Jehovah.
‘Manana Izany Harena Izany ao Anaty Vilany Tany Isika’
Namelabelatra an’ireo teny ao amin’ny 2 Korintianina 4:7 ireo ny Rahalahy David Splane, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Inona ilay harena resahina ao? Nilaza izy fa tsy fahalalana na fahaizana izy io, fa “ny fanompoana” ataontsika mba ‘hampiharihariana ny fahamarinana.’ (2 Korintianina 4:1, 2, 5) Nilaza ny Rahalahy Splane fa hotendrena hanao asa fanompoana manokana ireo mpianatra. Natao mba hanampiana azy ireo amin’izany ilay fiofanana nataony nandritra ny dimy volana. Tokony ho tena zava-dehibe amin’izy ireo izany fanendrena izany.
Nohazavain’ilay mpandahateny fa ny tenantsika no tiana holazaina amin’ilay hoe “vilany tany.” Nilaza izy fa tsy mitovy ny vilany tany sy ny vilany volamena. Tsy dia ampiasaina mantsy ny vilany volamena, fa tsy toy izany kosa ny vilany tany. Raha asiana zava-tsarobidy
koa ao anaty vilany volamena, dia mety tsy ho amin’ilay harena ihany ny olona no hifantoka fa amin’ilay vilany koa. Hoy ny Rahalahy Splane: “Azo antoka fa tianareo hifantoka amin’i Jehovah ny olona fa tsy aminareo. Tokony hanetry tena àry ianareo ka ho toa an’ilay vilany tany.”Nilaza koa ilay mpandahateny fa nisy vilany tany fahiny nahazaka afo, ary nisy aza nohosorana verinia mafy be mba hiarovana azy tsy ho mora vaky. Niteny koa izy hoe: ‘Hiatrika olana maro ianareo mandritra ny volana voalohandohany hanaovanareo fanompoana. Lasa toy ny mihosotra tsikelikely an’ilay verinia mafy be anefa ianareo amin’izay, satria hanjary tsy ho mora tezitra, ohatra, rehefa misy manakiana. Hahavita hiaritra ianareo fa tsy araka ny noeritreretinareo. Ianareo, fa tsy ny anjely, no nasain’i Jehovah hanao an’io fanompoana io, na dia vilany tany aza ianareo. Midika izany fa matoky anareo izy.’
“Ahoana moa no Hahafahanao Hifaninana Amin’ny Soavaly?”
Hoy i Samuel Herd, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana: “Mahery mihazakazaka ve ianao?” Nanontany an’izany izy, satria te hilaza fa hitovy amin’ny an’i Jeremia ny zavatra hanjo an’ireo mpianatra. Niatrika olana i Jeremia ary efa mafy taminy ilay izy, nefa mbola hiatrika zava-tsarotra kokoa noho izany izy. Nampisaintsaina azy àry i Jehovah hoe: “Olona aza no niara-nihazakazaka taminao, dia nandreraka anao. Koa ahoana moa no hahafahanao hifaninana amin’ny soavaly?”—Jeremia 12:5.
Hoy ny Rahalahy Herd: “Mihevitra angamba ianareo hoe efa nifaninana tamin’ny soavaly rehefa nanao an’ireny fanadinana be dia be ireny. Mbola vao olona anefa no nifaninana taminareo. Rehefa any amin’ny faritaninareo ianareo vao hifaninana amin’ny soavaly, izany hoe hiatrika olana lehibe kokoa tsy ampoizinareo. Hanampy anareo mba tsy ho reraka anefa iny fampiofanana iny.” Nampirisihin’ny Rahalahy Herd izy ireo avy eo, mba hazoto hianatra Baiboly foana sy hivavaka tsy tapaka.
Nilaza izy fa mety ho kivy indraindray ny misionera rehefa any amin’ny faritaniny, ary mety ho sendra olona tsy liana. Mety harary na hahatsiaro tena ho tsy mahay koa ny sasany. Nomeny toky anefa izy ireo fa hanampy azy foana i Jehovah mba hiatrika olana, ka tsy ho reraka mihitsy. Hoy izy: “Matokia fa na olona na soavaly no mifaninana aminareo, dia hanampy anareo handresy ny tana-maherin’Andriamanitra. Hanome voninahitra sy dera an’i Jehovah ianareo amin’izay.”
Lahateny hafa
“Mitondrà Betsaka Araka Izay Azonao Atao.” I John Ekrann, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Etazonia, no nanao an’io lahateny io. Noresahiny ny tantaran’ny vehivavy iray maty vady. Tsy nanam-bola handoavana ny trosany ilay vehivavy, ka saika nalain’ilay tompon-trosa ho andevo ny zanany. (2 Mpanjaka 4:1-7) Nanontanian’i Elisa mpaminany izy hoe inona no nananany, dia namaly izy fa tsy nanana afa-tsy siny kely iray fasiana menaka. Nasain’i Elisa nanangona siny tany amin’ny mpiray tanàna taminy àry izy. Hoy i Elisa: “Mitondrà betsaka araka izay azonao atao.” Nanao fahagagana tamin’ny alalan’i Elisa i Jehovah, ka lasa feno menaka izay siny voangon’ilay vehivavy.
Inona no azon’ireo mpianatra ianarana avy amin’izany? Azo antoka fa tsy nifidifidy ilay vehivavy rehefa nanangona siny, fa nalainy izay rehetra hitany. Vao mainka tsara aza raha izay ngeza indrindra no nalainy. Nampirisika an’ireo mpianatra àry ny Rahalahy Ekrann mba tsy hifidifidy fa hanao an’izay andraikitra hampanaovina azy. Nilaza koa izy fa nankatò an’izay rehetra nampanaovin’i Elisa azy ilay vehivavy, matoa nahazo fitahiana be dia be. Tokony hanao toy izany koa ireo mpianatra. Arakaraka ny zotom-po sy finoana
hananan’izy ireo ny fitahiana ho azony. Hoy ilay mpandahateny: “Miezaha àry mba tsy ho kamokamo mihitsy!”“Sakafontsika Ireo.” Io no lahatenin’i William Samuelson, mpiandraikitra ny sampan-draharahan’ireo sekoly ara-baiboly any Patterson. Niorina tamin’ny Nomery 14:9 ilay lahateny, ary ny ohatr’i Josoa sy Kaleba no noresahiny. Ary inona no tiana holazaina amin’ilay hoe “sakafontsika ireo”? Midika izy io fa ho mora amin’ny Israelita ny handresy ny Kananita, ka hampahery ny Israelita izany. Hoy àry ilay mpandahateny: “Rehefa manana olana ianareo any amin’ny faritaninareo, dia tadidio fa mety hanampy sy hampahery anareo eo amin’ny fiainana izany.”
“Ho Mafy Tsara ve ny Vatofantsik’izy Ireo, ka Hahavita Hiatrika Rivo-doza?” Nohazavain’i Sam Roberson, anisan’ny mpampianatra, ilay tenin’i Paoly hoe nisy olona sasany ‘vaky sambo ny amin’ny finoana.’ (1 Timoty 1:19) Nampirisika ny mpianatra àry izy mba hanampy ny olona hanana finoana matanjaka, ka hifikitra amin’i Jehovah. “Azo oharina amin’ny asan’ny mpanefy vy ny asanareo misionera”, hoy izy. Manefy ny rojon’ny vatofantsika hikambana tsara ny mpanefy vy, amin’izay ho voatazona tsara ny sambo. Toy izany koa no ataon’ny misionera. Manampy ny mpianatra Baiboly izy ireo mba hanana toetra tian’i Jehovah ka ho voavonjy.
Nilaza avy eo ilay mpandahateny fa ny rojo, dia ireo toetra valo resahin’ny 2 Petera 1:5-8. Nilaza izy fa tokony hampianarin’ny misionera ny mpianany hoe manana an’ireo toetra ireo i Jehovah. Ho tena tia an’i Jehovah ny mpianany amin’izay ka tsy hivadika mihitsy. Hahavita hiatrika fitsapana koa izy ireo, na dia mafy be toy ny rivo-doza aza ilay izy.
Fitantarana sy fanadinadinana
I Michael Burnett, anisan’ny mpampianatra, no nanadinadina ny mpianatra sasany. Nasainy notantarain’izy ireo sy nataony fampisehoana ny zavatra nahafinaritra hitany vao haingana teny amin’ny fanompoana. Variana erỳ ny mpanatrika nandre ny fomba nitorian’izy ireo teny an-tsena, teny amin’ny seranam-piaramanidina, isan-trano, ary na dia tamin’ny olona diso nomerao aza.
Nanadinadina an’i Stephen McDowell misionera any Panama sy Mark Noumair tany Kenya ary William Yasovsky tany Paragoay i Michael Hansen, anisan’ny mpianakavin’ny Betelan’i Etazonia. Efa nanao misionera aman-taonany izy ireo. Nanamafy an’ilay hevitra tao amin’ilay lahateny hoe “Finaritra Manao ny Sitrapon’i Jehovah”, ny zavatra nolazain-dry zareo. (Salamo 40:8) Nitantara ny zavatra tena nahafinaritra azy mivady tany Kenya, ohatra, i Mark. Tena nahafaly azy ireo ny ninamana tamin’ny mpiara-manompo tany. Tena tiany koa ny nahita an’ireo rahalahy nanaraka toromarika sy nanova ny fiainany ka notahin’i Jehovah. Nomeny toky avy eo ireo mpianatra fa hahita fifaliana be hoatr’izany koa izy ireo.
Namaky taratasy fankasitrahana ny iray tamin’ireo mpianatra, ary nofaranan’ny Rahalahy Lett ny fandaharana avy eo. Nampirisihiny ny mpianatra mba hitandrina tsara amin’izay hataony. Hoy izy: ‘Ho faly be i Jehovah amin’izay ka hitsikitsiky erỳ mahita anareo.’ Hampifaly an’i Jehovah izy ireo rehefa manao tsara ny fanompoany ka tsy mivadika mihitsy.—Isaia 65:19.
[Tabilao/Sarintany, pejy 31]
ANTONTAN’ISA MOMBA ILAY KILASY
10 tany nanana solontena
34,7 salanisan-taona
19,0 salanisan’ny taona naha tao amin’ny fahamarinana
13,5 salanisan’ny taona nanompoana manontolo andro
[Sarintany]
(Jereo ny gazety)
Notendrena any amin’ireo tany aseho eto ambany ireo mpianatra
TANY NANENDRENA
BÉNIN
BREZILA
BOLIGARIA
BURUNDI
CAMEROUN
KANADA
RÉPUBLIQUE CENTRAFRICAINE
ALEMAINA
GHANA
HONG-KONG
INDONEZIA
KENYA
LIBERIA
LITOANIA
MALEZIA
MOZAMBIKA
NÉPAL
PANAMA
PARAGOAY
SIERRA LEONE
SLOVAKIA
AFRIKA ATSIMO
ETAZONIA
VENEZOELÀ
[Sary, pejy 30]
Mpianatra manao fampisehoana ny zavatra hitany teny am-pitoriana
[Sary, pejy 31]
Ny Kilasy Faha-131 Nahazo Diplaoman’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada
Amin’ilay lisitra eto ambany, ireo laharana dia asiana nomerao avy eo aloha mankany aoriana, ary ireo anarana dia tononina avy eo ankavia miankavanana isaky ny laharana.
1) Lesch, C.; Lesch, N.; Shakarjian, P.; Shakarjian, T.; Budden, R.; Budden, K.; Nash, T.; Nash, L.
2) Tremblay, E.; Tremblay, C.; Garvey, D.; Garvey, G.; Gaunt, R.; Gaunt, P.; Lau, J.; Lau, J.
3) Davis, S.; Davis, S.; Sargeant, J.; Sargeant, J.; Fonseca, C.; Fonseca, S.; Thenard, E.; Thenard, A.
4) Petratyotin, A.; Petratyotin, R.; Reyes, N.; Reyes, N.; Eisiminger, B.; Eisiminger, S.; Hacker, J.; Hacker, C.
5) Hartman, E.; Hartman, T.; Goolia, W.; Goolia, K.; Thomas, J.; Thomas, E.; Okazaki, N.; Okazaki, M.
6) Mills, C.; Mills, A.; Benning, L.; Benning, T.; Sobiecki, S.; Sobiecki, T.; Gagnon, L.; Gagnon, E.
7) Hansen, B.; Hansen, M.; Fahie, A.; Fahie, M.; Dalgaard, J.; Dalgaard, J.; Andersson, M.; Andersson, R.