Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rahoviana no ho Tonga ny Hara-magedona?

Rahoviana no ho Tonga ny Hara-magedona?

Rahoviana no ho Tonga ny Hara-magedona?

“Nahita aho, ary nisy vahoaka be tsy tambo isaina, avy tamin’ny firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra. ... Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe.” —APOKALYPSY 7:9, 14.

KELY sisa dia ho tonga ny Hara-magedona. Nahoana isika no milaza an’izany?

Efa misy olona maro miara-manompo an’i Jehovah sy mankatò ny fitsipiny momba ny fitondran-tena izao eran-tany. Samy hafa firenena sy foko ary fiteny izy ireo nefa miray saina sy mifankatia. Lasa toy ny mpirahalahy izy ireo, noho ny fanampian’Andriamanitra. Tsy iza izany fa ny Vavolombelon’i Jehovah.—Jaona 13:35.

Kely sisa i Satana sy ny tafiny, dia hanafika an’ireo vahoaka toa tsy manam-piarovana ireo, ka ho tonga ny Hara-magedona. (Ezekiela 38:8-12; Apokalypsy 16:13, 14, 16) Efa mitranga daholo mantsy ny ankamaroan’ny zavatra resahin’ny Baiboly fa hiseho alohan’io.

Faminaniana efa tanteraka amin’izao

Nanontany an’i Jesosy ny mpianany hoe inona avy no famantarana ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” (Matio 24:3) Nilaza i Jesosy fa “hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hamely fanjakana. Ary hisy mosary sy horohoron-tany any amin’ny toerana samy hafa.” Hoy izy avy eo: “Izany rehetra izany no ho fiandohan’ny fahoriana.” (Matio 24:7, 8) “Andro farany” no niantsoan’ny apostoly Paoly an’io fotoana io, ary nilaza izy fa ho “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” izy io. (2 Timoty 3:1) Tsy hitanao tanteraka amin’izao andro izao ve ireo faminaniana ireo?

Nilaza ny apostoly Jaona fa ho etỳ an-tany ihany sisa i Satana sy ny demoniany no hanao ny asany, ary ho “fohy ny fotoana ananany.” Ho tezitra mafy àry i Satana mandritra an’io fotoana io, ka izany no hahatonga ny fiainana ho tsy mora setraina. (Apokalypsy 12:7-12) Tsy tsapanao ve hoe mora tezitra sy mahery setra ny olona amin’izao, sady tsy any amin’ny toerana iray ihany fa eran-tany mihitsy?

Nilaza koa i Jesosy fa hisy asa miavaka hatao mandritra an’io fotoan-tsarotra io. Hoy izy: “Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:14) Mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny fiteny 500 mahery, any amin’ny tany maherin’ny 235, ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny. Mizara gazety ara-baiboly atao hoe Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! koa izy ireo, ary ireo gazety ireo no miparitaka be indrindra eran-tany. Nandika Baiboly tamin’ny fiteny 100 teo ho eo koa izy ireo. Tsy mikarama izy ireo manao an’izany rehetra izany, ary fanomezana an-tsitrapo daholo no mampandeha ny asany. Tsy hita amin’izany ve fa tanteraka ilay faminanian’i Jesosy momba ny fitoriana?

Milaza koa ny Baiboly fa hisy zavatra hafa hiseho, ka raha vao mitranga ireo dia hipoaka ilay ady hifanaovan’i Jehovah sy ireo manohitra azy. Ireto ny telo amin’izany, ary hahita ny fahatanterahan’izy ireo isika.

Faminaniana ho tanteraka tsy ho ela

Faminaniana 1. Milaza ny Baiboly fa hiantsoantso hoe “fandriampahalemana sy filaminana” ny mpitondra fanjakana. Hieritreritra angamba izy ireo fa hiadana amin’izay, satria efa ho voalaminy ny olana lehibe. Tsy hisy fiadanana akory anefa aorian’izay.—1 Tesalonianina 5:1-3.

Faminaniana 2. Hanafika ny fivavahana eran-tany ny fitondram-panjakana samihafa aorian’izay. Oharin’ny Baiboly amin’ny bibidia ireny fitondram-panjakana ireny, ary ohariny amin’ny vehivavy mpivaro-tena mitaingina an’ilay bibidia ny fivavahan-diso eran-tany. (Apokalypsy 17:3, 15-18) Tsy ho tandrintandrin’ilay bibidia akory fa hanao izay tian’Andriamanitra hataony izy. Horavany ireo fivavahana mihambo ho solontenan’Andriamanitra ireo.

Hoy i Jaona momba izany: “Ny tandroka folo efa hitanao, sy ilay bibidia, dia hankahala an’ilay mpivaro-tena ka handroba izay ananany rehetra sy hampitanjaka azy, ary hanapitra ny nofony sy handoro azy tanteraka amin’ny afo. Fa nataon’Andriamanitra tao am-pon’izy ireo ny hanatanteraka ny heviny.”—Apokalypsy 17:16, 17.

Faminaniana 3. Rehefa avy mandripaka ny fivavahan-diso i Satana, dia hitaona an’ireo fitondram-panjakana mba hanafika an’izay manompo an’i Jehovah Andriamanitra.—Apokalypsy 7:14; Matio 24:21.

Ho voakasika amin’izany ianao

Mety ho sarotra aminao ny hino hoe ho tanteraka ireo faminaniana ireo, raha mbola tsy nandalina Baiboly ianao. Afaka matoky anefa ianao fa efa kely sisa dia ho tanteraka amin’ny an-tsipiriany ireo. Maro be mantsy ny faminaniana voalaza taloha ela be efa tanteraka. *

Nahoana àry raha miara-mianatra Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah? Ho fantatrao amin’izay hoe nahoana izy ireo no mino fa efa tena kely sisa dia ho tonga ny “adin’ilay andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra.” Ho fantatrao koa hoe nahoana ianao no tsy tokony hatahotra azy io. Anontanio azy ireo izay lazain’ny Baiboly fa tokony hataonao, mba ho anisan’ireo harovan’i Jehovah ianao. (Apokalypsy 16:14) Mety hanova ny fiheveranao ny hoavy izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 17 Manazava an’ireo faminaniana efa tanteraka ny toko 2 sy 9 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Teny notsongaina, pejy 8]

Tsy hitanao hoe faminaniana efa tanteraka ve ny fitoriana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah?