Manaja ny Zon’ireo Tsy Mety Hanao Miaramila ny Fitsarana Eoropeanina
FANTATRA eran-tany fa tsy manao politika ny Vavolombelon’i Jehovah ary tsy mandray anjara amin’ny ady. Tena mino izy ireo fa tokony “hanefy ny sabany ho angadinomby”, ary “tsy hianatra ady intsony.” (Isaia 2:4) Tsy manakantsakana ny hafa tsy hanao miaramila anefa izy ireo. Tsy maintsy manao raharaha miaramila ny vatan-dehilahy rehetra any amin’ny tany sasany. Ahoana anefa raha misy Vavolombelon’i Jehovah tsy mety hanao miaramila any amin’ireny tany ireny satria tsy eken’ny eritreriny izany? Izany no nitranga tamin’ny tovolahy iray atao hoe Vahan Bayatyan.
Nahoana ilay raharaha no nampakarina tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina?
Teraka tany Armenia i Vahan tamin’ny Aprily 1983. Nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy sy ny fianakaviany sasany tamin’ny 1996. Natao batisa izy rehefa feno 16 taona. Fantany tamin’izy nianatra Baiboly ny fampianaran’i Jesosy. Anisan’izany ny hoe tsy tokony hampiasa fitaovam-piadiana ny mpanara-dia azy. (Matio 26:52) Nino mafy an’izany izy ary nankatoaviny izany. Tsy ela taorian’ny batisany anefa izy dia tsy maintsy nanapa-kevitra momba izany.
Tsy maintsy manao raharaha miaramila ny tovolahy rehetra feno 18 taona, araka ny lalàna any Armenia. Voasazy higadra hatramin’ny telo taona izay tsy mety. Te hanampy ny mpiara-monina aminy i Vahan, nefa te hanaraka ny feon’ny fieritreretany mifanaraka amin’izay lazain’ny Baiboly koa. Inona àry no nataony?
Raha vao feno taona i Vahan tamin’ny 2001, dia nanomboka nanoratra taratasy ho an’ny manam-pahefana tany Armenia. Nolazainy tao amin’ireny fa tsy eken’ny eritreriny ny hanao raharaha miaramila, ary mifanohitra amin’ny zavatra inoany. Nilaza koa izy fa vonona hanao fanompoana sivily ho solon’izany.
Nanoratra ho an’ny manam-pahefana foana i Vahan, nandritra ny herintaona mahery, mba haneken’izy ireo ny fangatahany.
Nosamborina anefa izy tamin’ny Septambra 2002, ary nampangaina ho tsy mety manara-dalàna. Voasazy higadra herintaona sy tapany àry izy. Tsy nahafa-po ny mpampanoa lalàna anefa izany. Nangataka ny hampitomboana ny sazin’i Vahan tany amin’ny fitsarana ambony izy, iray volana monja taorian’ilay didim-pitsarana. Nolazainy fa “tsy marim-pototra” ny antony tsy naneken’i Vahan hanao raharaha miaramila, ary “mety hisy vokany ratsy be” amin’ny firenena. Neken’ny fitsarana ambony ny fangatahany ka nampiana herintaona ny sazin’i Vahan tany am-ponja.Tsy neken’i Vahan ilay didim-pitsarana ka nampakariny tany amin’ny Fitsarana Tampony. Nanohana ilay didim-pitsarana navoakan’ny fitsarana ambony anefa ny Fitsarana Tampony tamin’ny Janoary 2003. Nalefa tany am-ponja avy hatrany àry i Vahan, ka mpamono olona sy mpivarotra rongony ary mpametaveta no niara-nigadra taminy.
Tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina
Lasa mpikambana ao amin’ny Filan-kevitra Eoropeanina i Armenia nanomboka tamin’ny 2001. Manan-jo hampakatra fitsarana any amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona àry ny mponina any. Mety ho efa niezaka mafy hahazo rariny mantsy izy tany amin’ny taniny, fa tsy nahazo. Nampakarin’i Vahan tany àry ilay raharaha. Nolazainy tao amin’ny fitoriany fa tsy ara-dalàna ny nanasaziana azy noho izy tsy nety nanao miaramila, satria tsy mifanaraka amin’ny Andininy faha-9 ao amin’ny Fifanarahana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona izany. Nangataka àry izy hoe io andinin-dalàna io no entina hiaro ny zony tsy hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Efa nisy nanao izany ihany taloha fa tsy nahazo rariny.
Namoaka didim-pitsarana ny Fitsarana Eoropeanina tamin’ny 27 Oktobra 2009. Tsy nekena ny fangatahan’i Vahan. Tsy mihatra amin’ny raharaha miaramila, hono, mantsy ilay zo hanaraka ny feon’ny fieritreretana resahin’ny Andininy faha-9, raha ireo raharaha efa niakatra fitsarana teo aloha no jerena.
Efa ela be talohan’izay i Vahan no nafahana avy tany am-ponja. Efa nanambady izy ary nanan-janakalahy kely izy ireo. Diso fanantenana tamin’ilay didim-pitsarana izy. Azon’i Vahan natao ny nilavo lefona. Naleony anefa nampakatra an’ilay izy tany amin’ny Filan-kevitra Ambony Indrindra ao amin’ilay Fitsarana Eoropeanina. Faly erỳ izy fa nanaiky handinika an’ilay raharaha ilay Filan-kevitra. Raharaha manokana ihany mantsy no eken’izy io.
Namoaka didim-pitsarana tany Strasbourg, any Frantsa, ny Filan-kevitra Ambony Indrindra ao amin’ny Fitsarana Eoropeanina, tamin’
ny 7 Jolay 2011. Nanambara izy io fa nanitsakitsaka ny zon’i Vahan Bayatyan hanaraka ny feon’ny fieritreretany i Armenia. Nomelohin’i Armenia sy nogadrainy mantsy izy fa tsy nety nanao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Mpitsara 16 no nanaiky ilay didim-pitsarana, fa mpitsara 1 avy any Armenia ihany no tsy nanaiky.Tena niavaka iny didim-pitsarana iny teo amin’ny Fitsarana Eoropeanina. Izay mantsy ny Andininy faha-9 ao amin’ny Fifanarahana Eoropeanina vao nekena hiarovana ny zon’izay tsy mety hanao miaramila noho ny eritreriny. Manitsakitsaka ny zo lehibe indrindra ananan’ny olona ao amin’ny firenena mandala ny demokrasia àry izay managadra olona tsy mety hanao miaramila noho ny eritreriny.
Izao koa no nomarihin’ilay Fitsarana momba ny Vavolombelon’i Jehovah tsy manaiky hanao raharaha miaramila: “Azo antoka fa noho ny zavatra inoany no nahatonga azy tsy hanaiky hanao raharaha miaramila, ary tena mafy orina ny finoany. Mifanohitra tanteraka amin’izany finoany izany anefa ny fanaovana raharaha miaramila.”
Vokatr’ilay didim-pitsarana
Tao anatin’ny 20 taona mahery izay, dia efa 450 mahery ny Vavolombelon’i Jehovah nogadraina tany Armenia, satria tsy nety nanao raharaha miaramila noho ny eritreriny. Tovolahy 58 no mbola nigadra noho izany antony izany any Armenia, tamin’ny fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity. Taorian’ilay didim-pitsarana manan-tantara momba an’i Bayatyan no nogadraina ny dimy tamin’ireo. * Nangataka tamin’ilay mpampanoa lalàna tany Armenia ny iray tamin’izy ireo mba hampitsaharana ny saziny. Tsy neken’ilay mpampanoa lalàna anefa izany. Izao no navaliny: “Tsy azo ampiharina amin’ity raharaha ity ny didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana Eoropeanina tamin’ny 7 Jolay 2011 momba ny raharaha Bayatyan miady amin’i Armenia. Tsy misy itovizany mihitsy mantsy ireo raharaha roa ireo.”
Nahoana no mieritreritra an’izany ilay mpampanoa lalàna? Satria tsy mbola nisy fanompoana sivily ho solon’ny raharaha miaramila tany Armenia, tamin’i Vahan voasazy. Nilaza ny fanjakana any Armenia fa namoaka lalàna izy ireo nanomboka tamin’izay hoe afaka manao fanompoana sivily izay tsy te hanao raharaha miaramila. Ny miaramila ihany anefa no miandraikitra ny fanompoana sivily. Mbola tsy mety amin’ny ankamaroan’ireo mandà tsy hanao raharaha miaramila àry ilay lalàna momba ny fanompoana sivily.
Faly i Vahan noho ilay didim-pitsarana navoaka taorian’ny fitsarana azy. Tsy mahazo mitsara sy managadra intsony an’izay tsy mety manao raharaha miaramila noho ny zavatra inoany àry ny fanjakana any Armenia.
Tsy hoe te hanova ny lalàna any amin’ny taniny akory ny Vavolombelon’i Jehovah. Te hitaky ny zony kosa izy ireo, toy ny nataon’i Vahan Bayatyan, ka izay lalàna mifehy ny taniny ihany no ampiasainy. Te hiaina amim-pilaminana mantsy izy ireo. Te hankatò an’i Jesosy Kristy, ilay Mpitarika azy, koa anefa izy ireo ary tsy te ho voasakantsakana rehefa manao izany.
^ feh. 17 Roa tamin’izy ireo no nogadraina tamin’ny 7 Jolay 2011, daty nivoahan’ilay didim-pitsaran’ny Fitsarana Eoropeanina.