Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 MANATÒNA AN’ANDRIAMANITRA

‘Hita Mazava ny Toetrany Tsy Hita Maso’

‘Hita Mazava ny Toetrany Tsy Hita Maso’

Mino ve ianao fa misy Andriamanitra? Raha izany, ahoana no anaporofoanao fa misy izy? Tsy voatery hitady lavitra ianao, satria maro ny porofo manodidina antsika, izay manamarina fa misy Mpamorona hendry sy mahery ary be fitiavana. Inona izany porofo izany, ary tena maharesy lahatra ve? Mamaly izany ny taratasy nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’ny Romanina.

Hoy i Paoly momba an’Andriamanitra: “Ny toetrany tsy hita maso, izany hoe ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra azy, dia hita mazava hatramin’ny namoronana izao tontolo izao, satria hita amin’ny zavatra nataony. Koa tsy afa-tsiny izy ireo.” (Romanina 1:20) Nilaza i Paoly fa manaporofo ny fisian’ny Mpamorona ny asan’ny tanany. Andeha isika hamakafaka ny teniny.

Hita “hatramin’ny namoronana izao tontolo izao” ny toetran’Andriamanitra, hoy i Paoly. Tsy ny planeta Tany fa ny olombelona no tondroin’ilay teny grika nadika hoe “izao tontolo izao.” * Inona àry no tian’i Paoly holazaina? Vao noforonina ny olombelona dia efa afaka nahita ny toetran’ny Mpamorona eo amin’ny zavatra noforoniny.

“Hita mazava” amin’ny zavaboary, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra, fa misy ny Mpamorona. Miharihary amin’izy ireny koa fa manana toetra mahatalanjona izy. Hita, ohatra, hoe hendry izy satria tena mahavariana ny fomba nanaovana ny zavaboary. Mampiharihary ny heriny ny lanitra feno kintana sy ny fidoboky ny onja. Hita koa hoe tiany isika olombelona, noho ireo sakafo isan-karazany ankafizintsika, ny hakanton’ny masoandro miposaka sy ny masoandro mody.—Salamo 104:24; Isaia 40:26.

Tena miharihary ireo porofo ireo, ka “tsy afa-tsiny” izay tsy mahita azy ireny sy tsy mety mino hoe misy Andriamanitra. Nampiasa ohatra toy izao ny manam-pahaizana iray: Eritrereto hoe misy mpamily mody tsy mahita takela-by iray misy soratra hoe “Mivilia Miankavia.” Nosakanan’ny polisy izy ary nampandoaviny lamandy. Manazava ilay mpamily hoe tsy hitany ilay takela-by. Tsy marim-pototra anefa izany satria miharihary be ilay takela-by, ary mahita tsara izy. Takina amin’ny mpamily koa ny mijery takela-by sy manaraka izay lazain’izy ireny. Miharihary toy izany koa ny zavaboary, izay manaporofo fa misy Andriamanitra. Afaka mahita azy ireny isika satria zavaboary manan-tsaina. Tsy afa-tsiny isika raha tsy miraharaha azy ireny.

Manaporofo ny fisian’ny Mpamorona ny asan’ny tanany

Tena manampy antsika hahafantatra ny Mpamorona ny zavaboary, satria “hita mazava” amin’izy ireny ny “toetrany tsy hita maso.” Mihoatra lavitra noho izany anefa ny Baiboly. Ho hitantsika ao ny valin’ity fanontaniana lehibe ity: Inona no fikasan’Andriamanitra ho an’ny tany sy ny olombelona? Raha mahalala ny valin’izany isika, dia hanatona akaiky kokoa an’Andriamanitra.

Famakiana Baiboly amin’ny Aogositra

Romanina 1-16

^ feh. 5 Lazain’ny Baiboly koa fa manota sy mila mpanavotra “izao tontolo izao.” Mbola ny olombelona ihany no tiana holazaina amin’izany fa tsy ny tany.—Jaona 1:29; 4:42; 12:47.