Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
Inona no hataon’i Jesosy amin’ny hoavy?
Tamin’ny taona 33 i Jesosy no maty sy natsangana tamin’ny maty ary niakatra tany an-danitra. Notendrena ho Mpanjaka izy tatỳ aoriana. (Daniela 7:13, 14) Hampihatra ny fahefany izy amin’ny hoavy, ka hampanjaka ny fandriampahalemana eran-tany ary hanafoana ny fahantrana.—Vakio ny Salamo 72:7, 8, 13.
Hanafoana ny tsy rariny eto an-tany i Jesosy rehefa hanjaka
Hanao zavatra tsara be dia be ho an’ny olona i Jesosy rehefa hitondra. Hampiasa ny hery nomen’ny Rainy azy izy, ka hataony lavorary indray ny olona. Ho afaka hankafy ny fiainana eto an-tany izy ireo amin’izay, satria tsy ho faty na ho antitra intsony.—Vakio ny Jaona 5:26-29; 1 Korintianina 15:25, 26.
Inona izao no ataon’i Jesosy?
Mitarika ny asa fitoriana ataon’ny mpanara-dia azy eran-tany izy. Mankany amin’ny olona izy ireo ka mampiseho an’izay lazain’ny Baiboly momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Nilaza i Jesosy fa hanohana ny asa ataon’izy ireo foana mandra-pahatongan’ny fotoana hanafoanan’io Fanjakana io ny fanjakan’olombelona.—Vakio ny Matio 24:14; 28:19, 20.
Mitarika ny olona amin’ny alalan’ny fiangonan’ny tena Kristianina i Jesosy, mba hananan’izy ireo fiainana tsara kokoa. Hitarika azy ireo foana izy mandritra ny fotoana handringanana an’ity tontolo ity, ka mandra-pahatongan’ilay tontolo vaovao ampanantenain’Andriamanitra.—Vakio ny 2 Petera 3:7, 13; Apokalypsy 7:17.