TANTARAM-PIAINANA
Afa-po Aho fa Manompo An’i Jehovah
Mbola kely aho, dia efa navakavahan’ny olona. Saro-kenatra koa aho sady natahotra foana hoe tsy hety izay hataoko. Nankany amin’ny Eglizy Katolika àry aho, satria te hahalala izay lazain’ny Baiboly. Nanantena aho mantsy hoe hampahery ahy izany. Tsy nisy nanampy ahy anefa tany, ka naleoko nifantoka tamin’ny spaoro.
Lasa tia spaoro aho, anisan’izany ny fanaovana bokona hozatra. Nanokatra trano fanaovana spaoro tany San Leandro, eto Etazonia aho, tatỳ aoriana, ary niara-niasa tamin’ny mpanao bokona hozatra, anisan’izany ny lehilahy iray tompon-daka tamin’ny fanaovana bokona hozatra teto Etazonia. Mbola tsy nahafa-po ahy foana anefa ny fiainako, na dia efa bokona hozatra be aza aho.
AFA-PO IHANY AHO NONY FARANY
Nisy namako niteny tamiko hoe mahafantatra olona afaka manampy ahy hahalala an’izay lazain’ny Baiboly. Tonga tao amiko ilay olona ny ampitso maraina. Vavolombelon’i Jehovah izy io. Naharitra adiny efatra ny resakay, ary novaliany avy tao amin’ny Baiboly daholo ny fanontaniako. Nasaiko niverina izy ny harivan’iny, ary niresaka momba ny Baiboly hatramin’ny misasakalina izahay. Tiako ny zavatra noresahinay, ka nangataka taminy aho raha afaka miaraka aminy ny ampitson’iny, mba hijery azy mitory sy mampianatra. Variana aho satria tena nahay nitady andinin-teny ao amin’ny Baiboly izy rehefa namaly ny fanontanian’ny olona. Lasa te hanao hoatr’azy koa aho.
Namidiko ilay trano fanaovana spaoro, ary niara-nitory tamin’ilay olona nampianatra ahy foana aho. Mpisava lalana izy, izany hoe mpitory manontolo andro. Natao batisa tao amin’ny Cow Palace Arena, any Kalifornia aho, tamin’ny Mey 1948. Lasa mpisava lalana aho, tamin’ny faramparan’io taona io.
Nasaiko notsidihin’ny Vavolombelona koa ny reniko. Nihaino tsara an-dry zareo izy, ary tsy ela dia lasa Vavolombelon’i Jehovah. Nanenjika azy ny havany, nefa tsy nivadika tamin’Andriamanitra mandra-pahafatiny izy. Izahay mianaka ihany no Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ny fianakavianay.
NANAMBADY
Nankany Grand Junction, eto Colorado, aho tamin’ny 1950, ary nihaona tamin’ny tovovavy iray atao hoe Billie. Teraka tamin’ny 1928 izy, ary nahita an’ilay Olana Ara-toe-karena Lehibe nisy tamin’izany. Namaky Baiboly taminy isan-kalina i Minnie reniny, ary jiro solitany nitsilopilopy no nampiasainy. Vao efa-taona i Billie, dia efa nahay namaky teny ary nahay tsianjery tantara be dia be ao amin’ny Baiboly. Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelona ny reniny taloha kelin’ny 1949, ka nahalala hoe tsy mijaly any amin’ny afobe ny olona rehefa maty. (Mpitoriteny 9:5, 10) Lasa Vavolombelon’i Jehovah i Minnie sy ny vadiny.
Nahavita fianarana tany amin’ny oniversite tany Boston i Billie, tamin’ny 1949. Nody izy ary tamin’izay vao tena nazoto nianatra Baiboly. Te ho lasa mpampianatra izy taloha, nefa naleony indray nanokan-tena ho an’Andriamanitra. Natao batisa tamin’ny fivoriambe iraisam-pirenen’ny Vavolombelon’i Jehovah, tany amin’ny Yankee Stadium, any New York izy, tamin’ny 1950. Taoriana kelin’izay izahay no nihaona. Nivady izahay ary niara-nitory manontolo andro.
Nitory tany Eugene, any Oregon izahay, ary nahazo namana be dia be. Nifindra tany Grants Pass, any Oregon ihany, izahay tamin’ny 1953, satria nisy fiangonana kely nila nampiana tany. Nasaina hanatrika ny sekolin’i Gileada, kilasy faha-23 izahay, tamin’ny faramparan’io taona io. Sekoly ampiofanana ny Vavolombelona ho lasa misionera izy io, ary natao tany South Lansing, 400 kilaometatra eo ho eo any avaratrandrefan’i New York.
LASA MISIONERA TANY BREZILA
Nandeha fiaramanidina nankany Brezila izahay mivady, dimy volana taorian’ilay sekoly, tamin’ny Desambra 1954. Vao nandeha adiny iray izahay, dia nisy maotera maty. Soa fa tafapetraka soa aman-tsara tany Bermudes izahay. Tsy maintsy nijanona kely tany Cuba koa izahay. Naharitra iray andro sy tapany ny dianay sady nandreraka. Tonga tao amin’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Rio de Janeiro, any Brezila, ihany izahay nony farany!
Naka aina kely izahay, ary nankany Bauru, any São Paulo avy eo, niaraka tamin’ny misionera roa hafa. Izahay no misionera nipetraka voalohany tany. Maherin’ny 50 000 ny mponina, ary mbola izahay irery no Vavolombelona tany.
Vao nanomboka nitory isan-trano izahay, dia nisy mompera nanohitra anay. Nanaraka anay izy sady nampitandrina ny olona mba tsy hihaino anay. Tao anatin’ny herinandro vitsivitsy anefa, dia nisy fianakaviana maro anaka nianatra Baiboly, ary avy eo natao batisa. Tsy ela dia nisy olon-kafa koa nianatra.
Filohana fikambanana malaza ny havan’io fianakaviana io, ka nahazo alalana hampiasa ny tranon’ilay fikambanana aho mba hanaovana fivoriambe. Noteren’ilay mompera hofoanana anefa ilay fifanarahana. Namory ny olona tao amin’ilay fikambanana àry ilay filohan’izy io, ary niteny hoe: “Hametra-pialana aho, raha vao foananareo io!” Natao tao amin’ilay trano ihany ilay fivoriambe.
Nasaina nanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra tany Santos, any São Paulo, izahay tamin’ny 1956. Efa ho 40 ny Vavolombelona avy ao amin’ny fiangonanay nankany, ary nandeha lamasinina. Rehefa tafaverina tany Bauru aho, dia naharay taratasy nanendry ahy ho mpiandraikitra mpitety faritany, izany hoe hitsidika fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Saika voatetinay daholo àry i Brezila manontolo, nandritra ny 25 taona latsaka.
NITSIDIKA FIANGONANA
Sarotra ny nanao dia lavitra tamin’izany. Nandeha bisy izahay, dia nandeha lamasinina, sarety, bisikileta, ary nandeha an-tongotra. Jaú, any São Paulo, no anisan’ny tanàna voalohany notsidihinay. Nisy mompera nasiaka be izay tany.
Hoy izy: “Tsy mahazo mitory amin’ny ‘ondriko’ ianareo!”
Namaly izahay hoe: “F’angaha ireo anao? An’Andriamanitra ireo.”
Nisy fotoana izahay te hampiseho an’ilay filma hoe Ny Fitambaran’olon’ny Tontolo Vaovao Miasa. Momba ny fitoriana ataonay maneran-tany ilay izy. Namory ny mpiangona tao aminy anefa ilay mompera mba hihetraketraka taminay. Niantso polisy avy hatrany àry izahay. Rehefa tonga teo amin’ilay tranobe hijerenay an’ilay filma ilay mompera sy ny tariny, dia efa nisy polisy be dia be nanambana azy ireo tamin’ny basy teo. Vahoaka be no tonga nijery an’ilay filma ary nankafy an’ilay izy.
Saika ny toerana rehetra notsidihinay no nisy mpitondra fivavahana nankahala sy nanohitra ny fivavahanay. Nisy mpisava lalana roa nenjehina mafy, ohatra, tany Brusque, any Santa Catarina. Niaritra sy nazoto foana anefa izy ireo, ka lasa misy fiangonana 60 mahery any izao, 50 taona mahery atỳ aoriana, ary misy Efitrano Fivoriambe tsara tarehy any Itajaí, tanàna tsy lavitra eo.
Nahafinaritra be anay koa ny niaraka tamin’ny Vavolombelona hafa nikarakara fivoriambe. Niandraikitra ny fivoriambe natao tao amin’ny Kianjan’i Morumbi aho, taloha kelin’ny 1980. Nilazanay ny fiangonana zato teo ho eo teo amin’ny manodidina mba handefa olona folo isaky ny fiangonana, hanadio an’ilay kianja, ny alina talohan’ilay fivoriambe.
Nisy baolina kitra tao tamin’izay. Rehefa hody ireo mpilalao, dia naneso an’ireo mpanadio hoe: “Jereo ange ireto olona mitondra kifafa sy fanasana trano ireto e! Inona koa no mba vitan’ireo?” Tamin’ny misasakalina anefa dia efa voadio ilay kianja manontolo. Hoy ny mpiandraikitra an’ilay kianja: “Adiny firy fotsiny ilay izy dia voadionareo, nefa raha ny mpiasako izao no nanadio an’io, dia herinandro vao vita!”
NIVERINA TETO ETAZONIA
Maty ny dadako tamin’ny 1980. Nody teto Etazonia izahay, tsy ela taorian’izay, mba hikarakara ny reniko, tany Fremont, any Kalifornia. Nanadio trano amin’ny alina no asanay, ary mbola nanao mpisava lalana izahay. Nitory tamin’ny olona niteny portogey izahay. Nifindra tany San Joaquin Valley izahay avy eo, mba hitory tamin’ny Portogey nipetraka tany Sacramento ka hatrany Bakersfield. Misy fiangonana portogey folo eo ho eo izao any Kalifornia.
Maty ny reniko tamin’ny 1995, ary nifindra tany Floride izahay mba hikarakara ny dadan’i Billie mandra-pahafatiny. Efa maty tamin’ny 1975 ny renin’i Billie. Nifindra teto amin’ny faritra atsimoandrefan’i Colorado izahay, tamin’ny 2000. Nitory manontolo andro teto izahay ary ny Indianina Navajo sy Ute atỳ no nitorianay. Mampalahelo fa nodimandry tamin’ny Febroary 2014 i Billie.
Soa ihany aho fa nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, 65 taona mahery lasa izay, sady novaliany avy tao amin’ny Baiboly daholo ny fanontaniako. Tena faly koa aho satria nohamariniko tsara hoe tena izay ampianarin’ny Baiboly ve no nolazainy. Izany no nahatonga ahy hanompo an’Andriamanitra hatramin’izao, ary tena afa-po aho!