Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Rehefa Malemy Aho, dia Amin’izay Aho no Mahery’

‘Rehefa Malemy Aho, dia Amin’izay Aho no Mahery’

Haka:

  1. 1. Jehovah Ray, marary ahy izao!

    Mangina irery, mitanondrika aho.

    Tsy miahotra aho, f’ianao no antsoiko

    Satria ianao

    No hamehy ny ratram-poko.

     

    Mba henoy,

    Ny tananao anie tsy fohy.

    (FIVERENANA)

    Rehefa reraka aho

    Dia tohananao tsy hianjera, omenao hery.

    Ny fanahinao no manampy ahy

    Hanidina ambony toa voromahery.

    Malemy aho nefa aho mahery.

  2. 2. ’Zay mitoloko am-po mangina

    Hoatr’ahy taloha, tsapanao ny hakiviany.

    Holazaiko azy f’ianao re Ray

    Dia tena tia, akaiky anay.

     

    Mba henoy,

    Ny tananao anie tsy fohy.

    (FIVERENANA)

    Rehefa reraka aho

    Dia tohananao tsy hianjera, omenao hery.

    Ny fanahinao no manampy ahy

    Hanidina ambony toa voromahery.

    Malemy aho nefa aho mahery.

    (FIVERENANA)

    Rehefa reraka aho

    Dia tohananao tsy hianjera, omenao hery.

    Ny fanahinao no manampy ahy

    Hanidina ambony toa voromahery.

    Malemy aho nefa aho mahery.

    Malemy aho nefa aho mahery.

    Malemy aho nefa aho mahery.